- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo : Raikitra ny fifandonana teo amin’ny miaramila sy polisy omaly hariva

Ambohijatovo : Raikitra ny fifandonana teo amin’ny miaramila sy polisy omaly hariva

Lég Niantrana teny Ambohijatovo ny FIP.

Nifandona ny miaramila sy polisy teny Ambohijatovo omaly hariva. Araka ny fanavazana, miaramila roa efa mamomamo no nikitika vehivavy ka nahatonga ny olana. Niditra an-tsehatra ny polisy iray mpandamina fifamoivoizana tamin’izany, kanjo ireo miaramila indray no nanagam-bovona. Nisy ny fikasihan-tanana nataon’ireo miaramila efa mamo ilay polisy. Vokatr’izany, raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Nitangorona ny olona ka niakatra teny an-toerana ny miaramila avy ao amin’ny RM1 Analakely nanampy ny namany. Tonga teny an-toerana ihany koa ny polisim-pirenena nandamina ny raharaha. “Nanao ramatahora ireo miaramila, ary hitanay fa efa mamomamo. Namapian’ny namany, ka niantso polisy ny olona”, hoy ny fitantarana. Ny polisin’ny FIP tamin’ny 4×4 tonga teny an-toerana izay vao nilamina ny raharaha. Nentina niala teo ireo miaramila roa fototry ny olana. Hisy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Teo-javatra mety hanimba endrika ny mpitandro filaminana ny toy izao, satria izy ireo natao ho fitaratra eo amin’ny fiaraha-monina no manao toetra tsy ambina. Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana,  fa sy natao hery famoretana na hanao fihetsika manala baraka azy ireo. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Mbola niandry teny Ambohijatovo ny polisin’ny FIP omaly hariva.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici