- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversJirama : Halatra solika, olona 14 MD

Jirama : Halatra solika, olona 14 MD

Fanimbana fotodrafitr’asa sy fangalarana solika an’ny orinasa. Ireo no antony nisamborana ireo olona ampolony rehefa nametraka fitoriana ny orinasam-panjakana Jirama. « Ahitàna mpiasan’ny Jirama anankiroa izay ny lehiben’ny tranom-pamokarana ary koa ny mpandray vola, mpiambina avy ao amin’ny orinasa Safidy, mpiasa efatra avy ao amin’ny orinasa HFF, zazalahy 17 taona iray izay mpisera ny halatra maizina, ramatoa anakiroa ka ny iray mpisera halatra ary ny iray mpanao ny varo-maizina tamin’ny raharaha teo aloha, sofera na tuctuc iray, mpiambina « pylône » an’ny orinasa airtel iray ary ny farany dia ilay mpanao varo-maizina izay efa tratra tany aloha », raha araka ny fampitam-baovaon’ny Jirama. Manaporofo arak’izany ity tranga tao Mananara Avaratra ity fa tambajotra lehibe no ao ambadiky ny halatra solika eo anivon’ity orinasam-panjakana ity. Manodidina ny 10.000 litatra ny solika izay azon’ireo olon-dratsy ary mbola nisy ampahany kely tratra tao an-tranon’ny sasantsasany tamin’izy ireo. Raha jerena amin’io habetsaky ny very io izay inoana fa efa ela no niverimberina ny halatra, dia efa amina miliara izany ny fatiantoka. Izany anefa dia tao amin’ny fari-piadidiana iray fotsiny. Mila jerena koa ny any an-toeran-kafa satria lasa ny tsy manan-tsiny no tsetsafin’ny tambajotran’olon-dratsy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici