Nanao ranolava tokoa tato ho ato izay ny lozam-pifamoivoizana, indrindra fa tamin’ireo lalam-pirenena. Ny alakamisy teo indray ary, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, môtô roa no niharan-doza teo amin’ny toerana antsoina hoe Antanimenabe, fokontany Tsaramiafara, kaominina Behenjy. Afa-doza ilay mpitondra môto iray, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy kosa ilay iray.
Raha ny vaovao azo hatrany dia handeha hiakatra aty an-drenivohitra ireto môtô roa ireto, izay nandeha mafy ihany. Azo heverina fa mety ho nifanenjika an-dalana mihitsy izy ireo. Niezaka ny hifampisongona tao anaty fiolanana ireto farany. Somary midina io lalana io no mbola miampy izay fiolanana izay. Teo no nitranga ny loza satria nifanehatra tampoka tamin’ny fiarabe iray handeha hianavaratra ny iray tamin’ireo môtô. Dify kely monja kosa ilay iray. Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina ilay môtô, karazana « routiere » nidona tamin’ilay fiara. Nipitika ary niakarapoka tamin’ny arabe kosa ilay mpitondra azy. Nandriaka indray ny rà teo. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ity lehilahy niharan-doza ity saingy nambaran’ireo tompon’andraikitry ny filaminana tonga teny an-toerana, fa tsy tana intsony ny ainy, noho ny hamafin’ny dona sy ny ratra lalina nahazo azy. Efa nanokafan’ireo tompon’andraikitra amin’izany fanadihadiana moa ity loza nitranga ity.
Fa ankoatr’izay « bus » nifanenjika no niafara tamin’ny loza nahatsiravina tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao. Nifampisongona tao anaty tetezana izy ireo ary tsy afa-niala intsony rehefa sendra nisy fiara tsy mataho-dalana iray nifanena. Vokany samy naratra avokoa, na ny tao anatin’ilay fiara fitateram-bahoaka na ny tao anatin’ilay fiara 4X4. Efa samy nentina nihazo tobim-pahasalamana avokoa moa izy ireo. Ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana kosa no nandray an-tanana ny raharaha.
m.L