Lehilahy iray manodidina ny 28 taona no hita tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Soanierana, kaominina Ambohimasina, distrikan’i Betafo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo sy mpitandro filaminana dia fantatra fa novonoina ity olona ity, ary tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka.
Efa nanomboka ho simba ny razana tamin’ny fahitàna azy tao amin’ity trano ity, raha ny vaovao azo hatrany. Filazan’ireo mpitsabo dia mety ho efa andro maromaro no nahafaty azy, saingy tamin’io andron’ny zoma io vao nisy nahita. Nidaboka teo am-pandriana moa no nahitàna azy. Nahagaga ireo nanatri-maso ihany fa nifono « sachet » ny tapany ambony, ary nifatotra kosa ny tapany ambany. Nahitàna ratra ihany koa ny faritra sasany tamin’ny vatany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Tsy azo ihodivirana avy hatrany moa ny fisian’ny vono olona teo anatrehan’ny tranga nisy, hoy ireo mpitandro filaminana. Fantatra tokoa mantsy fa olona mipetraka amin’ny tanàna hafa, tsy teo amin’io tanàna nahitàna azy io ity lehilahy ity. Nambaran’ny fianakaviany rahateo ihany koa fa efa ho telo andro teo ho eo izy izay no tsy hita ary efa nikaroka azy fatratra ireo havany. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra dia efa nomena ny fianakaviana ny razana. Efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana kosa ny raharaha, hamantarana ny zava-nitranga marina manodidina ny raharaha vono olona ity : inona no antony ary iza avy ireo nahavanon-doza tamin’izao ?
m.L