- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVavatenina : Niparitaka eraky ny arabe, voahitsaky ny fiara fotsiny ireo taolam-paty

Vavatenina : Niparitaka eraky ny arabe, voahitsaky ny fiara fotsiny ireo taolam-paty

Ny azo antoka dia taolam-paty avy nangalarina izy ireo saingy angamba tsy nisy mpandray dia navelan’izay mety ho tompony teny hiparitaka tahaka izao. Zava-nitranga tany amin’iny distrikan’i Vavatenina iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Taolam-paty maromaro tokoa mantsy no niparitaka teny amin’ny arabe, tsy lavitra akory ny fidirana amin’ny tanànan’i Vavatenina. Saika taolan-dava avokoa izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo. Araka izany, saika nanitsaka izany avokoa ireo fiara rehetra na mpitatitra na an’olon-tsotra nindrana izany lalana izany. Raha ny vaovao azo hatrany dia toa hoe niangona tamin’ny gony teo amin’ny sisin’arabe izy ireo, talohan’izao niparitahany izao. Mazava ho azy moa, na dia somary mampiahiahy aza ireo gony dia tsy nisy sahy nikitika. Taorian’izay anefa dia izao nisy nanaparitaka teny am-povoan’arabe izao. Efa nandray ny andraikiny tamin’ny fanangonana izany moa ireo tompon’andraikitra tany an-toerana ary heverina fa efa niroso tamin’ny fandevenana ireto taolam-balo ireto. Hatreto koa dia tsy fantatra hoe fasana taiza na taiza no nangalaran’ireo tsy vahalahara ireto taolana marobe ireto. Ny teo amin’ny manodidina mantsy toa tsy nahenoana vaky fasana tao ho ao, hoy hatrany ny vaovao azo. Efa eny am-pelatananan’ireo mpitandro filaminana moa ny raharaha amin’izao, hikarohana ireo tompon’antoka amin’izao tranga izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici