
Tovolahy tratra nangalatra tao amin’ny toerana fivarotana hani-masaka iray teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny no naratra mafy, niharan’ny fitsaram-bahoaka ny faran’ny herinandro teo. Raha tsy haingana dia tonga ireo mpitandro filaminana dia mety ho efa ny ain’ity tontakely ity no nanaraka.
Efa manomboka miha-mitroatra tokoa ireo mponina manoloana ny firongatry ny asa ratsy eny amin’iny faritra Andohatapenaka, izay efa malaza ratsy amin’izany. Raha ny teo aloha teo, noho ny tahotra an’ireto andian’olon-dratsy izay tsy menatry ny mamaly faty ireo olona sahy mijoro, mitoroka na misambotra azy ireo, dia niaina foana tanaty tahotra sy tebiteby ireo mponina, tsy nisy sahy nisambotra azy ireo. Zatra ny lalan-dririnina angamba ireto roalahy ka mbola nanohy ny fanaony hatrany. Mpivarotra hani-masaka, na irony hôtely irony indray no nataon’izy ireo lasibatra teo. Raha mbola variana tany nikarakara sakafo mantsy ilay ramatoa tompon’izany fivarotana izany dia tsy tahotra tsy henatra fa dia nojaikon’izy ireo moramora ny finday sy ny vola rehetra nipetraka tao aorian’ny arofitaratra. Sendra tsikaritr’ilay ramatoa izany ka niantso vonjeo avy hatrany ity farany. Nanao tsoa-pe, nandositra kosa izy roalahy taorian’izay, nieritreritra ny tsy hisy hanaraka. Kanjo, niara-niray hina nanenjika azy ireo avokoa ireo olona teo amin’ny manodidina izany hôtely izany. Araka ny fampitam-baovao azo dia tsy ela dia tratra, tsy lavitra ilay toerana ny iray tamin’ireto roalahy, raha tafaporitsaka kosa ilay namany iray. Tsy nisy alaharo alaharo ihany koa fa niainga avy hatrany ny daroka sy ny vono rehetra iny, izay nianjera tany amin’ity tontakely ity. Taoriana kelin’izay ihany koa no tonga ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito. Niezaka niaro ny ain’ity olon-dratsy ity, nanoloana ny hatezeran’ireo mponina. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao moa ranamana mba atao famotorana, rehefa avy nentina notsaboina. Noho ny daroka nahazo azy mantsy dia voalaza fa nisy naratra tamin’ny lamosiny. Marihana hoy ny vaovao fa ilay finday ihany no azo teny am-pelatanan’ity tovolahy ity, raha lasan’ilay namany kosa ilay vola. Efa natolotra ny Fampanoavana omaly ilay voasambotra. Mitohy kosa ny fikarohana ilay iraika lahy tafatsoaka.
m.L