Tokantrano iray teo Ambohinahorina-Bongatsara no nataon’ireo jiolahy lasibatra- Dimy lahy nitam-basy no tompon’antoka. Nisy olona teo amin’ny manodidina nivoaka ny tranony mba hamonjy tao anatin’izany ary izy indray no niharan’ny tifitra ka namoy ny ainy. Raha ny fanampim-baovao azo dia 39 taona io lehilahy tsy manan-tsiny izay lavon’ny bala io. Vita izay dia nanohy ny fanafihany ireo olon-dratsy ary nahazoan’ireo finday dimy, fahitalavitra iray, caméra iray, fakan-tsary iray, famantaranandro iray. Lasa hatramin’ny peratra teny an-tanana aza, raha araka ny vaovao azo. Rehefa tonga ny zandary ka nanao ny fisafoana dia tapa-kevitra ny naka alika mpitsongo dia mba hanampy azy ireo amin’ny famantarana ireo olon-dratsy. Nandritr’izany fanarahan-dia nataon’ny alika izany no nijanona tao amin’ny trano iray eo amin’ny manodidina ireo. Teo dia nosamborin’ny zandary avy hatrany ary nanokafana fanadihadiana ny olona iray tao. Notazomina natao andrimaso ary mbola nitohy omaly ny fihainoana azy. Raha ny fantatra dia basim-borona no nampiasan’ny olon-dratsy. Mbola nahitàna taim-bala rahateo ny manodidina rehefa nosafoina ny toerana. Jiolahy izay efa nikasa ny nanafika tany Ambatofotsy izy ireo saingy voatosiky ny zandary tany an-toerana ka nitsoaka nianavaratra. Mety ho tezitra tamin’izay ka mbola nanafika ihany ary namono olona.
D.R