Isan’ny raharaha niandrasany olona maro ny didim-pitsarana momba ny ady ifanaovan’ny Dr Benessy Harison sy ingahy Randrianarivelo Honorien. Antontan-taratasy roa izao notsaraina ny talata 19 aogositra izao izay tany tao Ambamalamasy.
Raha ity raharaha notsaraina ity dia nivadika ho ady heloka ny raharaha noho ilay raharaha sosialy teo aloha, ka laharana faha: 306-RP/21/CD/SS/F ny 15 janoary 2021, ilay antontan-taratasy izay niampagana an’i Randrianarivelo Honorien, resaka fanalambaraka tamin’ny fahitalavitra tsy miankina. Raha nanazava ny mpisolovava ny mpitory, fa mbola amin’ny maha-Andrimpanjakana ilay mpitory izay nivaivay tamin’ny fahitany ilay nambaran’ny voatory, dia fanalam-baraka sy fanivahivana ny zavatra nataony tamin’ny Dr Benessy Harison. Ho an’ny taratasy faharoa niampagana an’i Randrianarivelo Honorien an’ny Dr Benessy Harison Harison, Nirivola Geraldo, Razafy Alexina, Kalolahy Louis. Ho an’ireto farany dia fandravana trano sy fandrahonana ho faty ny mpitory ny fitoriana nataony. Niteny ny mpisolovava an’ny Dr Benessy Harison sady nitondra porofo, fa tsy teto Toamasina ny olona voatory tamin’izany, namita hiraka amin’ny maha-loholona tao Antananarivo. Ireo niara-voatory tamin’ity Dr Benessy ity koa nilaza fa tsy nandrava tranon’olona ary tsy nahazo baiko tamin’ny Dr Benessy izany. “Mpitsabo ny olona harovanay ary manana marim-boninahim-pirenena maro isan-karazany, ankoatra ny maha-loholona azy tamin’ny fitoriana nataon’ny Randrianarivelo Honorien, sy fanalam-baraka tamin’ny fahitalavitra”, hoy ireo mpisolovava mpiaro an’Atoa Dr Benessy Harison. Amin’ny 24 aogositra ny famoahana ny valin’ny fitsarana; nanomboka tamin’ny 09ora 15min ny 19 aogositra ny fitsarana ambaratonga voalohany tao amin’ny efitrano faharoa ny fitsarana. Tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny 01ora sy 45min, ka nody ireo mpitory sy voatory miandry ny didim-pitsarana momba izao raharaha teo amin’ny Dr Benassy sy Honorien.
Malala Didier