Tato anatin’ny volana maromaro tokoa dia tena nirongatra izay tsy izy ny fidorohana sy ny fitsindromana ireny rongony mahery vaika ireny. Saika eny amin’ireo faritra be olona eto an-drenivohitra no fantatra fa maro mpandray azy io ary efa betsaka ihany izay voasambotra izay.
Ny faran’ny herinandro lasa teo tokoa ary dia tovolahy niisa roa, manodidina ny 18 sy 20 taona, no voasambotry ny pôlisy eny anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, noho fandraisana sy fitsindromana heroine, teny amin’iny faritra Antohomadinika FTA sy IVO iny. Raha ny fampitam-baovao azo dia mbola tratra teny amin’izy roa lahy ireto ny « seringue » sy ny « capsule heroine» vao avy nitsindroman’izy ireo. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana teny anivon’ny pôlisy moa izy roa lahy ireto. Natolotra ny Fampanoavana teny Anosy ny alatsinainy teo ary nahiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora. Manoloana ny firongatry ny fiparitahan’ity zava-mahadomelina mahery vaika ity tokoa dia nandray andraikitra avy hatrany ny pôlisy. Efa maro ireo fitairanana azo teny amin’iny faritra Antohomadinika iny, hoy hatrany ny vaovao, ny amin’ny fisian’ireo mpivarotra sy mpitsindrona heroine eny an-toerana. Tamin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo no nahafantarana fa misy mivarotra amin’ny vidiny 3000 ariary monja ny « dose » iray amin’io zava-mahadomelina mahery vaika io eny an-toerana. « Ny polisim-pirenena dia efa miezaka hatrany ny manenjika ireo olona manaparitaka ity zava-mahadomelina mampididoza ity », hoy hatrany ny vaovao.
m.L