Nitrangana lozam-pifamovoizana indray tetsy Analamahitsy Cité omaly, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any. Môtô scooter « Jog Evolution » no niharan-doza, nodomin’ny fiara tsy mataho-dalana iray, nivoaka avy amin’ny lalana iray manandrify ny Coliseum iny. Olona roa no nentin’ity môtô ity, ny mpamily sy vehivavy iray. Samy naratra avokoa ireto farany saingy ilay vehivavy nentina no tena voa mafy, sy tsy afa-nihetsika tamin’ny tany intsony. Soa ihany fa efa am-perin’asa ilay tobin’ny mpamonjy voina tsy lavitra teo ka izy ireo nandray andraikitra nitondra ny naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana, rehefa avy natao vonjy taitra tamin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina tsy lavitra teo. Tazana teo an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana, mpandamina ny fifamoivoizana. Raha ny fantatra dia avy any amin’ny faritra Ivandry, hihazo an’Analamahitsy tanàna iny ity môtô scooter ity no nivoaka tampoka avy any ilay fiara tsy mataho-dalana, nitondra teratany vahiny. Nambaran’ireo nanatri-maso moa fa toa efa hitan’ny mpamily izao ny fiavin’ilay môtô kanefa mbola nitsofoka sy ninia nandeha ihany izy, hany ka tsy tana intsony ny loza. Ireo mponina eny an-toerana nanontanianay moa dia nanambara fa mazàna , toa lasa fomba ratsin’ny sasantsany amin’ireo fiara avy amin’io lalan-kely io no mivoaka tampoka toy izao, tsy miraharaha velively izay fiara na môtô, na aty amin’ny lalana andaniny na eny amin’ny lalana ankilany. Heverina araka izany fa handray ny andraikiny manoloana izay toe-javatra izay ireo tompon’andraikitra, hisorohana ny loza hafa izay mety hitranga.
Fa ankoatr’ity teny Analamahitsy ity dia fantatra ihany koa mbola nitrangana lozam-pifamoivoizana toa izay ihany koa, ary nahavoa môtô ihany koa teny amin’iny faritra Andranomena iny. Naratra ihany koa ilay mpitondra izany ary potika ny lohan’ilay môtô. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany tamin’ny famonjena sy ny fijerena ifotony ny zava-nisy moa ireo mpitandro filaminana niasa tsy lavitra teo.
m.L