- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversJeneraly Rakotonirina Richard : Nizaha ifotony ny fiaimpiainan’ireo miaramila ao Toamasina

Jeneraly Rakotonirina Richard : Nizaha ifotony ny fiaimpiainan’ireo miaramila ao Toamasina

Taorian’ny fametrahany ny soridalana ho an’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ireo Etamajaoro efatra mandrafitra ny Tafika, notanterahina ny herinandro lasa teo dia niroso tamin’ny fizahana ifotony ny eny an’ivon’ny faritra ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard. Nanombohany izany ny fitsidihana narahina asa  izay niarahany tamin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny jeneraly Sahivelo Monja Delphin, nanombooka ny 22 aogositra teo, ka nijerena ny hanatsarana ny fiaimpiainana sy ny andavanandron’ny miaramila eny am-panatanterahany ny asa fampandriana fahalemana sy ny fiarovana ny vahoaka amin’ny ambana maro lafy mitatao. Tetikasa izay isan’ny tanjona iray lehibe ao anatin’ny fanavaozan-drafitra tanterahina eo anivon’ny tafika ankehitriny.  Ny 24 aogositra dia ny Fari-piarovana sy Fandriam-pahalemana (ZDS) Pangalana no nandray azy ireo ka nisongadina tamin’izany fitsidihana ny ivom-pibaikoana ny hetsika hatao. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny tobin’ny Rezimanta Faharoan’ny Jenia Miaramila, misahana ny asa fanorenana ao Toamasina, miaraka amin’ny Holafy fahefatry ny Vondrona Vonjy Voina izay misahana ny fiarovana sy famonjena ny vahoaka amin’ny loza voajanahary. Tao amin’ny Toby Jeneraly Jonah Joseph kosa dia nozahany manokana ny efitrano fianarana, nahitana ireo miaramila vaovao manaraka fiofanana alohan’ny handraisany ny asany amin’ny fampandriana fahalemana sy ny vonjy voina vokatry ny loza voajanahary. Nandritra ny fihaonany tamin’ireo miaramila no nanamafisan’ny Minisitra Rakotonirina Richard ny tokony hanatsarana ny fahaiza-manaon’izy ireo ho tena matihanina amin’ny asa sahanina. Nantitranteriny ihany koa ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana mba ho fitaratra eo amin’ny fiaraha-monina ny miaramila.

Manakara.  Taorian’ny faritra Atsinanana dia nitodi-doha tany Fitovinany indray ny fitsidiham-paritra nataon’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, omaly. Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo Governoram-paritra Vatovavy sy Fitovinany tao Manakara izay niarahana tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana sy ireo mpitandro ny filaminana ary ireo solombavambahoaka efatra mianadahy mba hahafahana mametraka paik’ady amin’ireo ambana maro lafy misy ato anatiny, toy ny fakana ankeriny, ny tsy fandriam-pahalemana, ny loza voajanahary, sy ny maro hafa, izay anisan’ny mahazo toerana ankehitriny. Manoloana izany indrindra dia misy ny fifanomezan-tanana ataon’izy ireo mba hahafahana miaro hatrany ny vahoaka sy ny fananany. Toy ny nataony tao Toamasina dia nohararaotina ihany koa izao fotoana izao nampahafantarany ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin, sy ny kaomandin’ny Faripiarovana Matitanana, ny Jeneraly Randrianantenaina Felicien Arthur izay hiara-miasa amin’ireo mponina any an-toerana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici