- Publicité SW45 -
mardi, décembre 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlasora : Lasibatry ny zandary sandoka ireo mpifankatia mampiaraka

Alasora : Lasibatry ny zandary sandoka ireo mpifankatia mampiaraka

Tsy vitan’ny fitakiana vola sy fampihorohoana intsony fa efa tonga hatrany amin’ny fanendahana sy fanolanana mihitsy. Ataon’ireto olon-dratsy mitonona no zandary ireto mahita mihitsy ireo mpifankatia mpampiaraka izay tratran’izy ireo teny amin’iny faritra Alasora iny. Eny, fa raha ny fampitam-baovao azo aza dia efa nanao ny ataony teny amin’iny faritra Imerikasinina sy Ambohimalaza iny ihany koa izy ireto, indrindra fa eny amin’ireo toerana mangingina izay ankafizin’ireo olon-droa moa. Ny faran’ny herinandro nivalona teo tokoa dia tra-tehaky ny zandary avy ao Alasora ny lehilahy roa fantatra amin’ny anarana hoe Edmond sy Ernest, izay jiolahy misandoka ho zandary, nampitondra faisana ireo mpifankatia tao Ambohitrandriannahary Alasora. Nifanenjehena tao anaty ala-kesika teny an-toerana ry zalahy ireto, rehefa nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo mpitandro filaminana. Raha ny fampitam-baovao nataon’ny zandary tokoa mantsy dia maro ny fitairanana azon’ireo mahakasika ny fisiana mpitandro filaminana manendaka sy manolana ireo olon-droa mampiaraka ao amin’io toerana io. Nandray andraikitra avy hatrany ireo avy ao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandary ao Alasora ka nanara-maso ilay toerana. Nisy olona nampiahiahy tokoa, tsikaritra fa nitampify tao anatin’io ala-kesika io. Vaky nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa natonin’ireo zandary. Ny iray tamin’izy ireo no voasambotra aloha, izay fantatra fa tra-tehaka niaraka tamin’ny basy poleta fanairana. Tsy naharitra ela ihany koa dia voasambotra ny iray. Efa natolotra ny Fampanoavana moa ry zalahy ireto ary nadoboka am-ponja avy hatrany. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo izay mety no namany. Raha ny fanazavana azo dia ity basy poleta fanairana (pistolet d’alarme) ity no entin’izy ireo manantanteraka ny asa ratsiny sy entiny mampitahotra ireo lasibatra. Mitily izay mpifankatia mitokatokana mantst izy ireo amin’izany, misalotra fanamiana ambony an’ny zandary ary manatona ireo olon-droa. Mody manao fisavana, fanadihadiana ary mampitahotra amin’izay ny hitondra any amin’ny birao raha tsy manao izay takian’izy ireo. Mandeha eo amin’izay ny fitakiana vola, finday, firavaka, sns. Manginy fotsiny ny fampisehoana fihetsika mamoafady, ny fitsapatsapana sy fisafoana any amin’ny mahavehivavy ary tonga hatrany amin’ny fanolanana mihitsy, raha ny voalaza hatrany. Azo heverina fa efa maro ireo mpampiaraka lasibatr’izy ireto koa hanentanan’ireo mpitandro filaminana ireto farany fa mba ho mailo tanteraka. Indrindra fa ny tsy handehanana any amin’ireny takotakona sy mangingina ireny. Etsy andanin’izay dia nampahafantatra ihany koa ny teo anivon’ny zandary, ny amin’ny tsy hanekena ireo olona rehetra mitonona ho mpitandro filaminana ary ny mba hitakiana izay karatra maha-zandary izay, hialana amin’ny fisandohan’andraikitra tahak’izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici