- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Voatafika ny taxi sy mpanao gazety

Andavamamba : Voatafika ny taxi sy mpanao gazety

Efa mailo tanteraka saingy tsy nahasakana ireo mpanendaka tsy nanatontosa ny asaratsiny izany. Ny alakamisy teo tamin’ny efatra ora sy sasany maraina, raha niandry ny fiara voatokana hitondra mpanao gazety hanao « mission » any Antsirabe, no nitranga ny fanafihana. Tao anaty fiarakaretsaka mihidy tsara ilay mpanao gazety no niandry ny fahatongavan’ny fiara haka azy, izany dia mba hiarovana tena amin’ny jiolahy. Iaraha-mahalala rahateo ny lazan’Andavamamba hatrizay. Teo indrindra no nisy efa-dahy nirongo basy ary nampiasa hery mba hahatafidirana tao anatin’ilay taxi. Naratra ny mpamily rehefa nodarohan’ireo jiolahy. Torak’izany koa ny mpandeha nentiny tao amin’ny seza aoriana dia ilay mpanao gazety izany. Lasa ny sakaosy nisy ny fitaovany, nisy solosaina sy fakan-tsary. Lasa avokoa ny vola teny aminy, ny firavaka volafotsy sy volamena izay niambozonana. Tsy mbola afa-po ihany ireo jiolahy fa mbola notereny nalaina koa ny peratra mariazy. Koa satria tsy voaendaka mora foana izay satria somary efa tery, navoakan’ny jiolahy ny antsy maranitra ary saika notapahan’ireo ny ratsan-tànana mba hahazoana ny peratra volamena. Nanohitra ilay olona ary mba tsy tontosa izany. Samy naratra avokoa ny tao anaty fiara ary nametraka fitoriana teny amin’ny polisy. Vao maraina izany dia efa miasa koa ny mpanafika. Mbola endrika iray mampiseho fa betsaka ny kartie izay tsy mety foana ny tsy fandriam-pahalemana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici