Hiditra ny mpianatra ato ho ato, nefa hatramin’izao dia mbola tsy vita ny famindram-pitantanana teo amin’ny lehiben’ny sampan-draharaha ny fanabeazam-pirenena ao Vatomandry sy ao Mahanoro ho an’ny faritra atsinanana, ary ny ao Mananara avaratra ny ao faritra Analanjirofo. Ny mpiasam-panjakana anefa tokony hanaiky ny baiko ny lehibeny amin’ny famindran-toerana ara-dalàna azy izay ao anaty ny fifanarahana arakasa izany.
Efa nahazo taratasy tamin’ny fampijanona azy tsy ho lehiben’ny fari-pididian’ny fampianarana ao Mahanoro , saingy raha nanao ny famindram-pitantanana ilay lehiben’ny fari-piadidian’ny fampianarana avy ao Vatomandry hisolo azy dia tsy tontosa mihitsy izany hatramin’izao; ny antony noho ny sakatsakana teo amin’ny depiote avy ao Mahanoro “Atoa Salo” ny anton’izany. Vokatra izany dia midongy seza ao Vatomandry ilay lehiben’ny fari-piadidian’ny fampianarana any an-toerana, raha efa nahazo taratasy hisolo toerana azy ao Vatomandry ity mpampianatra mbola tanora avy eto Toamasina. Miteraka fikatsoana samy hafa anefa izany amin’ny famoahana ireo antontan-taratasy samy hafa, satria efa nahazo taratasy fampiatona azy ireo koa ny eo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana ka mikatso avokoa ny famoaham-bola samy hafa ho an’ny fampianarana amin’ireo Cisco voakasika rehetra. Ho an’ny mpampianatra mangataka fifindran-toerana amin’ny kaominina hafa tsy afaka ihany koa satria tsy misy ny lehiben’ny Cisco hanao Sonia ny taratasin’izy ireo.
Ankoatra izany tsy eo anivon’ny fampianarana ihany no ahitana izany tsindry amin’ny politika ity, fa hatramin’ny minisiteran’ny fahasalamana ihany koa misy izany; isan’izany ilay didy laharana 691 ny 28 mai 2021 fanafoanana ny fanendrena ny “médecin chef” Distrika Toamasina I. Hatramin’izao tsy tontosa izany famindram-pitantanana izany…
Malala Didier