- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Polisy manao fanamiana sivily, noraisim-potsiny ny mpanendaka 

Isotry : Polisy manao fanamiana sivily, noraisim-potsiny ny mpanendaka 

Tsy nampoizin’ity tontakely ity fa teo ambany mason’ireo mpitandro filaminana mihitsy no nanao ny asa ratsiny. Tranga niseho teo amin’ny tetezan-dramala, Isotry ny sabotsy lasa teo. Teo anatrehan’ny trangan’ny tsy fandriam-pahalemana, mampitairaina ireo mponina teny amin’iny faritra Isotry iny, indrindra fa teo ambonin’ny tetezan-dRamala iny dia nisy hetsika manokana nataon’ireo polisy, entina manenjika ireo mpangaraom-paosy sy mpanendaka eny amin’iny faritra iny. Tao anatin’izany ny fametrahana polisy tsy nanao fanamiana teny amin’iny faritra iny. Ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro teo tokoa, tovolahy iray no saika handeha hanao ny asa ratsiny teo ambonin’iny tetezana iny. Ramatoa iray sendra nandalo teo amin’izany faritra izany no saika lasibatr’ity tovolahy iray ity. Ny tsy nampoizin-dranamana anefa, efa feno polisy tsy manao fanamiana manodidina teo ka noraisim-potsiny ingahirainy. “Tsy afa-nihetsika moa ity farany raha vao nahita ireo polisy maromaro nanodidina azy ka ny nanolotena sisa no azony natao”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena. Teo no ho eo ihany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria ity tontakely sasatry ny miaina ity, mba atao famotorana. Heverina hatolotra ny Fampanoavana anio ny lehilahy, raha tsy misy ny fiovana amin’ny lafiny famotorana. Azo lazaina fa nitondra filaminana kely teny amin’iny faritra ity paik’ady nataon’ireo mpitandro filaminana ity, hisamborana ireo tontakely. Saingy indrisy fa ny mampiraviravy tanana ireo mpisambotra sy ireo ianjadian’ny asa ratsy indraindray dia izay mitranga aorian’izay. Efa iaraha-mahalala mantsy fa zara raha mijanona am-bolana vitsy any am-ponja izy ireo dia tafavoaka indray ary manohy hatrany asa ratsy fanaony.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici