- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomanalina : Tontakely nifanenjehan’ny olona

Andranomanalina : Tontakely nifanenjehan’ny olona

Ny horakoraky ny olona sy ny antso vonjy no nanaitra ireo polisy niasa tsy lavitra teo. Nifanenjehan’ny polisy sy ireo fokonolona avy hatrany ireto tontakely efa-dahy, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Vorondamba Isotry, saingy ny iray tamin’izy ireo ihany no tratra, efa taty Andranomanalina. Araka ny fampitam-baovao azo dia vehivavy sendra niantsena teny an-toerana no lasibatr’ireto tontakely ireto teny an-toerana. Lasa tamin’izany ny vola mitentina eo amin’ny 210.000 ariary teo niaraka tamin’ny finday sy zavatra sarobidy. Niantso vonjy avy hatrany ity farany. Raikitra teo ny fanenjehana ireto olon-dratsy, izay azo lazaina fa efa mahafantatra tanteraka ireo elakelan-trano rehetra eny an-toerana. Na izany aza anefa tsy nahaleo tosika ireo mpanenjika izany. Araka izany, tsy lasa lavitra akory ny iray dia voasambotra. Na izany aza, raha ny voalaza dia tsy hita tany amin’ity voasambotra ity ireo zavatra lasa tany amin’ilay ramatoa voaendaka fa lasan’ireo namany. Nentina tany amin’ny biraon’ny kaomisaria aloha ity farany natao fanadihadiana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa tafatsoaka, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici