- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra atsinanana : Notolorana mari-pasitrahana ireo « sangany » tamin’ny CEPE sy...

Faritra atsinanana : Notolorana mari-pasitrahana ireo « sangany » tamin’ny CEPE sy BEPC

Nosafidiana manokana ny andron’ny alarobia 1 septambra fiatombohan’ny taom-pianarana araka ny tapaka teo anivon’ny minisitera, nanolorana ireo mari-pakasitrahana ho an’ireo « sangany » tamin’ny CEPE sy ny BEPC teo anivon’ny faritra atsinanana.

Miisa fito avy ireo « sangany » avy amin’ny Cisco isaky ny distrika fito, Toamasina I – Toamasina II – Brickaville – Vatomandry – Antanambao Manampontsy – Mahanoro – ary Marolambo, ho an’ny faritra atsinanana teo anivon’ny CEPE sy ny BEPC. Mananiky ny 19,9/20 isa farany ambony teo anivon’ny CEPE izay azon’ny mpianatra avy ao amin’ny sekolin-dry masera « Saint Joseph de Cluny » Anjoma ; tsy lavitra izany fa 18/20 izany ho an’ny teo anivon’ny BEPC izay mpiadina avy eto Toamasina I hatrany no nahazo izany.

« Fambolena fahombiazana » (culture d’excellence) amin’ireo ankizy sy tanora no tanjona nanaovana izao hetsika izao hoy ny governora ny faritra atsinanana Atoa Rafidison Théodore, izay namafisin’ny talem-paritry ny fanabeazana ihany koa. Mafy tamin’ny faritra atsinanana iny taona lasa sy ity taona ity ireo valanaretina niteraka fihibohana sy fahatapatahan’ny fampianarana tamin’ny mpianatra, nefa izao no vokatra azo tao anaton’izany noho ny ezaky ny rehetra. Tsy misy afa-tsy ny fampianarana ihany no ahafahan’ny faritra atsinanana mandroso sy mampandroso azy, ka ezaka maro no efa natao sy mbola atao mikasika izany.

Ankialan’ireo efitran-tsekoly namboaran’ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministera sy ny fiadidian’ny repoblika amin’ireo distrika maromaro ho an’ny faritra atsinanana, dia hisy koa ny fanamboarana tranon-tsekoly 20 eo hiarahana amin’ny banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny « FID » ny fanamboarana azy ao amin’ny distrikan’i Antanambao Manampontsy. Mametraka ny lafin’ny fampianarana ho zava-dehibe ny fanjakana amin’izao hoy ny governora, misy ny fizarana « kits scolaire » sy ny fanamiana samy hafa.

Ankoatra izany dia nisaoran’ny governora ny faritra ireo orinasa samy hafa niara-nisalahy tamin’ny faritra nahatontosa izao lanonana fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo « sangany » miisa fito avy tamin’ny CEPE sy BEPC ho an’ny faritra atsinanana ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici