- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Tontakely tra-tehaka teo am-panendahana mpandeha

67ha : Tontakely tra-tehaka teo am-panendahana mpandeha

Ela nitoratorahana ! Mpanendaka iray no noraisim-potsiny, raha mbola teo am-pisintonana findain’olona iray, tao anaty taxi-brousse. Tsy nampoizin’ity tontakely ity mihitsy ny hisian’ny olona hisambotra azy.

Tranga niseho tetsy amin’ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra tetsy amin’ny Vatobe 67ha, ny alatsinainy lasa teo. Anisan’ny toerana iray mampitaraina ny maro tokoa raha iny faritra, voalaza iny. Indrindra moa raha vao mirotsaka fotsiny ny haizina ary efa manomboka hisisihana iny fiara mpitatitra. Manginy fotsiny etsy andanin’izay ny fitohanan’ny fifamoivoizana lavareny manjaka sy tsy mety tapitra. Tamin’izay fotoana izay indrindra, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any  no tonga teo amin’ny biraon’ny pôlisy teo 67ha ny lehilahy iray niaraka tamin’ny tovolahy iray, izay voalazany fa mpanendaka. Ny zava-nisy tokoa mantsy dia saika hisintona ny findain’olona, mpandeha tao anaty taxi-brousse iray teny amin’iny fiantsonan’i Vatobe iny ity tontakely ity no tratra ambodiomby. Iny saika handeha hitsoaka iny mihitsy anefa izy no nosamborina ary tsy afa-nikofoka intsony. Mbola tratra teny aminy rahateo ilay finday avy nangalariny. Nentina natolotra avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria ity mpanendaka ity tamin’io fotoana io. Natao andrimaso teo no eo rehefa nisy ny fitoriana nataon’ireo olona lasibatra. Omaly moa ny lehilahy no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Zava-misy efa mateti-piseho loatra, tsy eny amin’iny faritra iny ihany ity fisintonanana findain’olona anaty fiara mpitatitra ity. Misimisia araka izany toy ity tranga ity, mba samy sy sahy handray andraikitra avokoa ny tsirairay fa tsy hiandry foana ireo mpitandro filaminana, izay azo inoana fa tsy ahafantatra velively amin’ny antsiripiriany izay zava-misy misy eny amin’ny fiarahamonina eny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici