Nampanaoviny zavatra mamoafady isan-karazany, ity ankizivavy kely vao 10 taona alohan’ny hanolanany azy, aloha sy aoriana, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Nosamborina, ary navantana avy hatrany eny Tsiafahy ity tsy valahara ity.
Ny alakamisy teo no nosamborin’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona ity lehilahy iray 35 taona, mipetraka etsy Ilanivato noho ny resaka fanolanana. Nampiharany ny filan-dratsiny ary nosimbainy tanteraka mantsy ny zana-badiny vao 10 taona monja. « Tsy vitan’ny fanolanana teo aloha sy aorian’ilay tovovavy kely no nataony fa mbola nampanaoviny zavatra mamoafady hafa koa ». Raha ny angom-baovao azo dia tsy eo matetika fa toa hoe miasa alina ny renin’ity zazakely. Amin’izay fotoana izay no hanararaotany hanaovany hadalany amin’ilay ankizikely. Ary tsy vao voalohany akory izany, raha ny angom-baovao azo hatrany fa efa imbetsaka, ary azo heverina fa isaky ny miasa ilay reniny. Tsy sahy nilaza ny zavatra nahazo azy tamin’ny olona mihitsy ity zaza ity noho ny tahotry ny vono sy kapoka ataon’ilay raikeliny azy. Taty aoriana, tsy tantin’ity ankizy ity intsony zavatra nahazo azy ka nanararaotra ny fandehanany tany amin’ny renibeny, nitantarany ny zavatra nanjo azy. Teo no ho eo ihany ity renibeny dia nampilaza ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalàna, niaraka tamin’ny renin’ilay zaza. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, ny andron’ny alakamisy teo ary nisambotra ity lehilahy tsy vanona ity. Natao andrimaso avy hatrany ary nalainay am-bavany izy taorian’izay. « Tao anatin’ny fanadihadiana dia niaiky ny heloka nataony ilay lehilahy ». Ny zoma teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha. Tsy nisy hisalasalàna ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara famotorana fa avy hatrany dia nomena azy ny taratasy famonjana vonjimaika. Eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny lehilahy no miandry ny fotoam-pitsaràna azy, raha ny fampitam-baovao hatrany. « Ny Polisim-pirenena dia misintona ny saintsika ray aman-dreny mba ho mailo amin’ny fihetsika rehetra asehon’ny ankizy ao an-tokatrano sy eny anivon’ny fiarahamonina, fa indrindra ny amin’ny resaka ara-pahasalamana. Izay mahafantatra na mahita tranga toy izao dia hiangaviana hanatona ny sampan-draharahan’ny polisim-pirenena indrindra ireo sampan-draharaha manokana mpiaro ny zaza » araka ny fanentanana nataon’ny teo anivon’ny pôlisy hatrany.
m.L