- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversHolafitry ny vadintany Malagasy : Tombony goavana ho an’i Toamasina ny maha-filoha...

Holafitry ny vadintany Malagasy : Tombony goavana ho an’i Toamasina ny maha-filoha lefitra ny “Me Tafa”…

“Tombony lehibe ho an’i Toamasina ny nahavoafidy ny Me Andriatafaina Fitiavana na Me Tafa ho filoha lefitry ny holafitra ny vadintany sy mpanao lavanty Malagasy”, izay no nambarany tamin’ny mpanao gazety niresaka taminy tao amin’ny birao fiasany.

Nomarihany hatrany fa mitovy fomba fijery ny filohan’ny holafitra ny vadintany sy mpanao lavanty, ny Me Rakotonirina Herilalaina Alain. Nomarihany filoha lefitra ity fa ilaina ny fihenoana ny hetahetan’ireo vadintany sy mpanao lavanty, satria tsy vitsy ireo misedra olona eo am-panaovina ny asany, misy mihitsy aza no hiaran’ny herisetra. Ho an’iny taona 2020 iny no tena nisedra olana ireo vadintany sy mpanao lavanty teo amin’ny asany, teo ny valanaretina, teo koa anefa ireo mpiady. “Ao anatin’izay rehetra izay dia ao anatin’ny vinan’asa ny filoha vaovao avokoa ny fanatsarana ny asa ataon’ny vadintany sy ny mpanao lavanty; izay no hanohanako azy amin’izany mba hanatrarana ny ezaka ao anatin’ny telo taona ny fe-potoana itantana ny holafitra”, hoy hatrany ny Me Tafa. Mpanatanteraka didim-pitsarana raikitra avoakan’ny fitsarana amin’ny fampiaharana izany amin’ny rafi-piaraha-monina ny vadintany; koa tsy hisian’ny fahatezeranan’ny vahoaka na fokonolona amin’ny fanatanterahana ireo didim-pitsarana. Raha iverenana dia isam-bato 69 no azony raha 25 kosa no azon’ny mpifaninana taminy dia ny Me Mbinintsoadia. Raha ny tantara hatrany dia ny 20 novambra 2015 no nanao ny fihanianany voalohany ny naha-vadintany azy ny Me Tafa tao amin’ny fitsarana ambaratonga ambony Toamasina.

Ny alarobia 1 septambra teo tao amin’ny trano fandraisam-bahiny Carlton, ny famindram-pitantanana teo amin’ny birao holafitra ny vadintany sy mpanao lavanty teo aloha, sy ny birao ny holafitry vaovao ny vadintany sy ny mpanao lavanty Malagasy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici