- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFanakanan-dalana RN3 : Nisy nanisy vatan-kazo lehibe ny lalana

Fanakanan-dalana RN3 : Nisy nanisy vatan-kazo lehibe ny lalana

Hanihany ratsy fipetraka sa tena fikasàna hanakan-dalana ? Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo dia nisy nametraka vatan-kazo iny lalam-pirenena fahatelo, mampitohy ny renivohitra amin’ny distrikan’Anjozorobe iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Analabe, kaominina Mangamila, eo amin’ny 20 kilaometatra tsy hiditra ny tampon-tanan’Anjozorobe iny, raha hianavaratra ary kilaometra vitsy monja, tsy hiditra ny tanan’i Mangamila, raha hianantsimo. Fiara iray sy môtô sendra tratra alina handeha hiakatra no saika lasibatra tamin’izany. Soa ihany anefa raha ny fampitam-baovao azo fa tsy nahavoa azy ireo aloha izay ratsy saina nametraka izany sakan-dalana izany. Na izany aza anefa, voalaza fa sendra ny tampoka loatra ilay môtô ka tsy nahatana hisatra intsony ary dia nidofotra teo amin’ilay hazo. Potika tanteraka teo ilay kodiaran-droa raha naratra kosa ireo nitondra azy. Ilay fiara tato aoriany moa no niezaka avy hatrany namonjy iretsy tra-doza ary nitondra azy ireo tany amin’ny toeram-pitsaboana tsy lavitra teo. Nataon’izy ireo haingana moa izay nialàna teo amin’io toerana io. Voalaza mantsy fa nisy hirika kely nahafahana niala izany sakana izany ihany, teo amin’ny sisin-dalana.

Mangina sy efa ratsy tanteraka tokoa moa izany lalana izany, no mbola izao tsy afa-tebiteby tamin’ny afitsok’ireo olon-dratsy izao ireo mpampiasa lalana. Marihina fa tsy tranga vao izao izany fametrahana hazo na vato izany eny amin’iny lalam-pirenena iny fa efa misy matetika foana. Ary ny mazàna dia manodidina io faritra voalaza etsy ambony io no misy izany. Amin’ny alina no ametrahan’ireo olon-dratsy izany ka mazàna dia ireo mpampiasa lalana tratra alina, na ireo mandeha vao maraim-be no lasibatra. Hatreto anefa aloha, tsy mbola nahenoana fanafihana fiara vokatr’izay. Heverina anefa fa tsy hiandry izany ka ho sanatria ho tonga amin’izay tena fanafihana vao hihetsika ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, raha toa ka hanihany sy sotasota fotsiny no antom-pisian’ireny sakana ireny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici