Fito no voasambotra rehefa nandeha ny fanadihaiana. Fikambanan-jiolahy sy fanaovana vola sandoka no antony nanenjehana azy ireo. Olon-tsotra no nampahafantatra ny fisian’ny mpanao vola sandoka tao amin’ny fokontany Tanamborozano sy Port Fluvial. Niainga tamin’io ny fanadihadiana ary hita ilay toerana fieren’ireo olon-dratsy. Omaly dia nilatsahana vao maraina (amin’ny enina ora, araka ny fanomezan-dàlan’ny fampanoavana) ilay toerana ary nanomboka ny fisamborana izay naharitra adiny telo. Misy tovolahy vao 15 taona tao anatin’ilay tambajotra ary voalaza fa misy fandraisany anjara mivantana amin’ity raharaha ity, raha araka ny fanazavan’ny polisy any an-toerana. Nandritry ny fisavàna ilay trano rahateo dia mbola nahitàna vola sandoka raviny 20.000Ar sy 5.000Ar izay nitentina 40.625.000 Ariary. Ankoatr’izay aza dia mbola nisy vato sarobidy tsy tena izy misy karazany telo koa tao.
D.R