- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMarovoay : Lefitry ny ben’ny tanàna notafihan’ny dahalo 7 lahy nirongo basy

Marovoay : Lefitry ny ben’ny tanàna notafihan’ny dahalo 7 lahy nirongo basy

Nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana indray tany amin’ny distrikan’i Marovoay, faritra Boeny, ny alin’ny talata lasa teo, tao amin’ny fokontany Ampijoroana, kaominina ambanivohitra Antanimasaka. Olomboafidy, lefitry ny ben’ny tanàna any an-toerana, no notafihan’ny fito lahy nirongo fiadiana. Vao tafiditra tao an-trano ireto dahalo dia nandrahona tamin’ny basy nitaky vola, saingy niantso vonjy avy hatrany ity olomboafidy voatafika, ka nirohotra haingana namonjy ny toeram-ponenany ireo fokonolona teo an-tanàna nifanandrina tamin’ireo mpanani-bohitra. Raha vao nahita ny fokonolona tonga marobe nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa ireo dahalo dia nitsoaka nandositra haingana, ka mbola karohina fatratra hatramin’izao. Ny zavatra nampalahelo tamin’ity tranga ity, raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, noho ny tsy fifankahafantarana tao anatin’ny haizina, dia mpinamana roa lahy tamin’ireo fokonolona nanara-dia no nifamono, ka ny iray naratra mafy vaky loha voatora-bato teo amin’ny lohany, ny faharoa kosa voatifitra teo amin’ny tratrany, ka nentina haingana notsaboina any Marovoay renivohitry ny distrika ho famonjena ny ainy.

Nahoda

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici