Tsy voafehy intsony ny familiana, ka niafara tanaty rano ity fiara kely iray. Vokany, namoy ny ainy teo no ho eo ny mpamily, naratra saingy avotra kosa ilay mpanampy azy.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray iny lalam-baovao tetsy Ambohitrimanjaka iny, omaly vao maraina. Fiara kely iray, avy nanao « livraison » mofo no namantana avy hatrany tany anaty rano, rehefa avy nikivilavila teny amin’ny lalana, afaka kely ny tetezana iny. Efa vita asa ity farany, raha ny angom-baovao azo ary handeha hitodi-doha hiverina, tokony ho tamin’ny valo ora maraina tany ho any. Azo heverina fa teo anatrehan’ny lalana malalaka sy vita tsara dia tsy nisalasala ny mpamily izany fiara izany nandeha mafy, toa ireo fiara hafa, mpindrana izany lalana izany. Nitranga anefa ny tsy nampoizina tao anatin’izany. Nisy olona somary nandeha teo am-povoan’arabe, nifanandrify indrindra tamin’ity fiara ity. Mazava ho azy fa niezaka ny niala izany araka izay tratry ny heriny ny mpamily, ary afaka. Saingy, hiaraha-mahalala fa ny fiara mandeha, sarotra fehezana rehefa sendra ny tampoka toa izany. Nanomboka teo, ary tao anatin’ny segondra vitsy monja no nikivilavila eraky ny lalana ity fiara kely ity. Tafahanika ny fefiloha iny ary niafara tany anaty rano nony avy eo. Olona roa no tao anatin’ity fiara ity, ny mpamily sy ny mpanampy azy. Ity farany, izay voalaza fa tafala tao anaty fiara talohan’izany nivarina tany anaty rano. Ilay mpamily kosa no voafandrika tao anatiny ary tsy afa-niala intsony. Niezaka nanavotra azy ireo tao anaty rano ireo nanatri-maso ny zava-nisy saingy, efa namoy ny ainy talohan’izay, vokatry ny dona mafy nahazo azy ity farany. Ary efa vatana mangatsiaka sisa no nampakarina avy tao. Ilay mpanampy azy kosa, naratra ary efa nentina nihazo tobim-pahasalamana sy nomena ny fitsaboana sahaza azy. Efa tonga teny an-toerana, taorian’ny fampandrenesana ny amin’ny loza moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana izany faritra izany, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana.
m.L