- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversPrefektioran’ny polisy Antananarivo : Nogiazana ilay basy nitifiran’olona teny Ambatobe

Prefektioran’ny polisy Antananarivo : Nogiazana ilay basy nitifiran’olona teny Ambatobe

Efa tokony any amin’’ireo mpitandro filaminana misahana ny faritra nisy izany, ny tohin’ny fanadihadiana mahakasika ilay fitifiran’olona nitranga tetsy Ambatobe, andro vitsy lasa izay, araka ny nambaran’ny  avy eo anivon’ny prefktioran’ny polisy eto Antananarivo. Tsy vitan’izay ihany koa, fantatra fa efa nogiazana izany fitaovam-piadiana izany, niaraka tamin’ny taratasy hahafahana mitazona azy, araka ny taratasy nalefan’ny avy eo anivon’ny Prefektiora tany Tribonaly ary nasain’ity farany notanterahan’ireo mpitandro filaminana. Izany hoe, nanamafy ny fisian’izay tranga fitifiran’olona teny Ambatobe izay, ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny prefektioran’Antananarivo. Na izany aza anefa, nanazava ny tenany fa tsy araka izay hita sy re teny anivon’ny tambazotra sosialy akory ny fitaovam-piadiana izay nogiazan’izy ireo. Nambarany mantsy, fa ireny karazana fitaovam-piadiana voalaza ireny dia voasakajy ao anatin’ny ambaratonga voalohany, na ilay antsoina hoe « arme de guerre », izay ny mpitandro filaminana ihany no mampiasa azy fa tsy tokony ho eny an-tanan’olon-tsotra mihitsy. Tsy misy ihany koa araka izany olona afaka manome alalàna amin’ny fitondràna azy, ho an’olon-tsotra izay. Mbola nahabe resaka sy eny am-bavan’ny rehetra tokoa moa raha ity vaovao iray ity. Ho hita eo araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici