Taorian’ny nampiatoana ny dinam-pokonolona (Dina be), tato anatin’ny iray volana teo izay, araka ny fampitam-baovao voaray, no tena nampirongatra ny halatra omby sy vono olona tany amin’ny kaominina ambanivohitra Mahaboboka, ary efa 12 izao ny tranga halatra omby niseho tany an-toerana, ka omby aman-jatony no very. Isaky ny fanafihan-dahalo nitranga dia nisy foana ny aina nafoy sy olon-tsotra tsy manan-tsiny naratra. Nifanesy andro aman’alina ihany koa, nanomboka ny fiandohan’ity volana septambra ity no mankaty, ny fitifirana olona ataon’ireo tsy mataho-tody. Ny roa septambra lasa teo, notifirin’ny dahalo tao an-tranony i Ndahiky, monina ao Agnala Mahaboboka, ka naratra mafy nihosin-drà. Ny ampitson’io, notifirin’ny malaso tao an-tranony i Reminy, monina ao Mitsinjo Amboraka Mahaboboka, ka maty tany amin’ny hopitaly noho ny fahaverezan-drà be loatra. Ny alahady dimy septambra lasa teo, nidiran’ny dimy lahy nitam-basy ny tranon’ny lefitra faharoa ny ben’ny tanànan’i Mahaboboka. Noho ny fiaraha-mientan’ny mponina teo an-tanàna anefa dia afa-doza tsy maty fo aman’ aina ity olomboafidy ity. Ny valo septambra teo, nisy nitifitra tao an-tranony ao Mahaboboka tampon-tanàna Atoa Mara, fa mbola fitahian-janahary no tsy nahafaty azy, fa voaroba kosa ny fananany.
Manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny distrikan’i Sakaraha, dia manao hazolava (antsoavo) sy mikoiky (mila vonjy) amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny vahoaka any an-toerana, mba handefasan’ny fanjakana andia-mpitandro filaminana hampandry tany, sy hanetsehana ihany koa ny helikopteran’ny BIA (Bataillon Interarmes de l’Armée) ao Ihosy hanampy ireo miaramila an-tanety hanenjika ireo dahalo mpampihorohoro, satria raha izao no mitohy dia miraviravy tanana ny mponina, izay tantsaha ny ankamaroany.
Nahoda