- Publicité -
mercredi, novembre 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakaraha : Nisy nanafika ny lefitry ny Ben’ny tanàna

Sakaraha : Nisy nanafika ny lefitry ny Ben’ny tanàna

Manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny Distrikan’i Sakaraha, dia manao hazolava (antso avo) sy mikoiky (mila vonjy) amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny vahoaka any an-toerana, mba handefasan’ny fanjakana andiana mpitandro filaminana hampandry tany, sy hanetsehana ihany koa ny helikopteran’ny BIA (Bataillon Interarmes de l’Armée) ao Ihosy hanampy ireo miaramila an-tanety hanenjika ireo dahalo mpampihorohoro, satria raha izao no mitohy dia miraviravy tanana ny mponina, izay tantsaha ny ankamaroany.

Taorian’ny nampiatoana ny dinam-pokonolona (Dina be), tato anatin’ny iray volana teo izay, araka ny fampitam-baovao voaray, no tena nampirongatra ny halatra omby sy vono olona tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahaboboka, ary efa 12 izao ny trangana halatr’omby niseho tany an-toerana, ary omby aman-jatony no very. Ary isaky ny fanafihan-dahalo nitranga, nisy foana ny aina nafoy sy olon-tsotra tsy manan-tsiny naratra. Nifanesy andro aman’alina ihany koa, nanomboka ny fiandohan’ity volana septambra ity no mankaty, ny fitifiran’olona ataon’ ireo tsy mataho-tody.  Ny roa septambra lasa teo, notifirin’ny dahalo tao an-tranony i Ndahiky, monina ao Agnala Mahaboboka, ka naratra mafy nihosin-drà. Ny ampitson’io, notifirin’ny malaso tao an-tranony i Reminy, monina ao Mitsinjo Amboraka Mahaboboka, ka maty tany amin’ny hopitaly noho ny fahaverezan-drà be loatra. Ny alahady dimy septambra lasa teo, nidirana dimy lahy nitam-basy ny tranon’ny Lefitra faharoa ny Ben’ny tanànan’ ny Mahaboboka. Noho ny fiaraha-mientan’ny mponina teo an-tanàna anefa, dia afa-doza tsy maty fo aman’ aina ity olom-boafidy ity. Ny valo septambra teo, nisy nitifitra tao an-tranony ao Mahaboboka tampon-tanàna Atoa Mara, fa mbola fitahian-janahary no tsy nahafaty azy, fa voaroba kosa ny fananany.

Nahoda

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici