Tranga nahavalalanina ny maro ihany ity niseho ity. Ramatoa mpisoloky iray no nitory ny namany mpisoloky teny anivon’ny pôlisim-pirenena fa hoe nisoloky azy … Samy noraisim-potsiny izy ireo, hoy ny fampitam-baovao azo.
Araka ny fanomezam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena tokoa mantsy dia nilaza ho mahatafiditra ho mpiasam-panjakana, eo anivon’ny « impots » ireto olona roa ireto, lehilahy sy vehivavy. Iry voalohany, raha ny vaovao hatrany, no tena nilaza fa mahavita mampiditra izany, raha ilay ramatoa kosa no voalaza fa mpitady mpanjifa amin’izany. Araka ny filazan’ireo mpitandro filaminana dia tsy mifankahafantatra velively izy roa ireo saingy natambatry ny asa ratsy. Izy ireo rahateo efa nifanaiky fa hifampizarana izay vola rehetra azo avy eo. Nandeha dia nandeha tokoa ny bizina satria dia efa vola mitentina eo amin’ny 129 tapitrisa ariary teo ho eo no azon’izy ireo, ary mazava ho azy fa efa nifampizaràna. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, tsy hita ihany izay vokatra ka nimenomenona ireo « mpanjifa », nanery an’ilay ramatoa. Ity farany indray avy eo no niezaka niantso ilay rangahy saingy efa tsy azo antso intsony. Nanapa-kevitra ny hitory teny anivon’ny pôlisy araka izany ilay ramatoa, fa hoe voasolokin’ilay rangahy. Inona moa fa dia noraisim-potsiny teo rehefa nohadihadiana ny zava-nisy. Ilay rangahy kosa nosamborina teny amin’iny faritra Sabotsy Namehana iny, raha ny voalaza hatrany.
Raha misy tokoa ny tranga iray, izay tena tokotany fandihizan’ireo mpisoloky sy ny mpanao kolikoly dia ity fidirana te ho mpiasam-panjakana ity. Anisan’ny fanirian’ny olona maro tokoa izany te ho mpiasam-panjakana, indrindra moa fa hoe tafiditra ho mpitandro filaminana, mpitsara na mpiasan’ny ladoany sy ny mpiasan’ny hetra. Tsy vitsy tokoa araka izany ireo alaim-panahy te hiditra mafy dia mafy ka manisika sy manindry vola etsy sy eroa. Mazàna anefa dia saika midona amin’ny tolàna, araka ny tenin’ny tanora izy ireny, satria dia any amin’ny mpisoloky foana no mitontona. Ary rehefa voa avy any vao mipenimpenina manao fitoriana. Eo anefa vao azo lazaina fa voa roa, ohatra ny voalavo, araka ny fitenenana, satria raha ny lalàna tokoa dia samy azo enjehina ho mpanao kolikoly avokoa ny mpanome vola tsy ara-dalàna na ireo mpandray vola tsy ara-dalàna.
m.L