- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Roa no voaolana nandritra ny fanafihana

Alasora : Roa no voaolana nandritra ny fanafihana

Valo lahy mitam-piadiana. Ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana tokantrano iray tetsy Mandikanamana-Alasora, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina no nigadona ireo olon-dratsy. Mifefy tsara ny trano ary feno jiro mirehitra rehefa misy mihetsika eo an-tokotany. Io raha teo no nanaitra ny tompon-trano raha nahita hazavana avy ao ivelany izy. Tampoka teo dia olona marobe no hitany nihazakazaka namaky ny varavarana. Niezaka nanohitra izy kanefa tsy nitovy ny isa, ny tena raha teo vehivavy. Vao tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy dia nidaroka. Vita izay dia ny sasany nibata izay entana azo nalaina ary ny hafa nanao ny filan-dratsiny tamin’ilay vehivavy tompon-trano sy ny mpanampy an-trano. Raha ny fantatra dia olona telo no tao amin’ilay toerana ka lehilahy ny iray. Naratra ary nitondra ny mangidy ireo vehivavy raha tsy naninona kosa ilay lehilahy iray. Rehefa tonga ny polisy raha nahare ny antso dia tapaka ny hevitra ny amin’ny hangalàna alika mpitsongo dia. Nisy vokany izany. Rehefa nofofonin’ireo biby mantsy ny arovava izay latsaka tao an-trano rehefa nifampisintona tamin’ny jiolahy ny tompon-trano mba ho fiarovana ny ainy, nizotra tsy lavitra teo ihany ireo biby. Izany hoe teo amin’ny trano teo amin’ny manodidina. Tadidin’ilay vehivavy avy hatrany rahateo ny tarehin’ilay nahavanon-doza izay tao amin’ny trano nalehan’ny alika mpitsongo dia. Teo dia noraisim-potsiny avy hatrany aloha ny iray tamin’ireo olon-dratsy ary notazomina ao amin’ny kaomisaria Alasora mba hanokafana fanadihadiana. Andrasana ny fisamborana ireo namany hafa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici