Raha ny loharanom-baovao mari-pototra nampitaina tamin’ny mpanao gazety, dia tena ifandrombahana amin’izao fotoana izao ny fihazana Varika atao tsaky sy laoka, izay amidy lafo, any amin’ny Distrikan’i Sambava, Faritra Sava. Manome sary ratsy ho an’ny fizahantany eto Madagasikara izao fomba mamohetra izao, nefa hiditra amin’ny taona faha-fito amin’ny fankalazana ny « Journée mondiale des Lémuriens » izay nantsoina koa hoe : « Journée nationale des Lémuriens » isika amin’ity taona ity, izay hotontosaina ny 29 oktobra ho avy izao. Na dia hankalazaina isam-bolana aza izany, kanefa tsy mahery vaika ny fampianarana ny olom-pirenena, ary tsy hentitra isika amin’ny fampiharana ny lalàna, dia asa very maina daholo ireny rehetra ireny. Mampalahelo ny zava-misy, satria ny Varika tsy sakafo, fa namana miaro ny tontolo sady harem-pirenena tsy roa aman-tany hihazakazahan’ny mpizahantany ho tonga eto Madagasikara, nefa izao no nihantra amin’ireto biby arovana, satria izay tsy matin’ny fandoroana ala izany dia hazaina atao tsaky koa ireto biby. Ndeha ary isika hiray hina hiaro ny fananana iombonan’ireo taranaka ho avy, mba tsy hadinin’izy ireo amintsika ny tandrevaka manimba ny ho aviny !
Eric Nahoda