- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversNoho ny fahasahiranana : Lahiantitra 90 taona tra-tehaka nanary ny zafiny zaza...

Noho ny fahasahiranana : Lahiantitra 90 taona tra-tehaka nanary ny zafiny zaza menavava

Trangam-piarahamonina tsy dia fahita firy nahavalalanina ny maro no niseho an-tampon-tanàna’i Sambava, renivohitry ny Faritra Sava, afak’omaly naraina. Lahiantitra iray 90 taona no tra-tehaka nanary zaza menavava izay zafiny ihany, tao Andamoty, Fokontany Ambodisatrana II.

Rehefa nofotoran’ny olona ity lahiantitra, nilaza fa zanaky ny zanany izay marary saina monina any Ambatomainty, Kaominina ambanivohitra Farahalana ity zaza, izay tsy fantatra ny rainy satria ny zanany vavy adala mirenireny. « Vao teraka ny zaza dia ny vadiko no nitaiza ity zafikelinay ity, indrisy anefa maty tampoka izy, ka izaho irery no sisa nitaiza azy. Nisy olona tsara sitrapo mba niantoka kely ronono « boite » nomena ny zaza, nefa tsy naharaka izany, ka voatery notapohana rano betsabetsaka ho fitsitsiana azy. Tsy foiko ity zafiko ity nefa tsy afa-manohatra aho, satria ny fianakaviana rehetra tsy misy mety mandray ilay zaza, fa samy nilaza ho manana ny azy avokoa, ka izay no nahitan’olona ahy teto satria tsy tantiko mieritreritra an’ity zafiko mijaly. Ny tena marina tsy hanary azy aho fa hanome azy izay mahavita hamelona azy », hoy ingahibe latsa-dranomaso. Taorian’izay moa dia nampandrenesina ny tranga ny mpitondra miaraka amin’ ireo avy amin’ny mpitandro filaminana ao Sambava. Niparitaka tamin’ny « facebook » ny vaovao, ka maro ny olona nikasa sy naniry mafy hitaiza an’ity zaza ity, ka anisan’izany ny mpanakanto malaza roa eto amintsika.

Eric Nahoda

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici