Teto Toamasina ny minisitry ny fizahantany Joel Randriamandranto, ka nisy ny ady hevitra nifanaovany tamin’ireo mpisehatry ny fizahantany samy hafa tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana, izay natrehan’ny governora atsinanana. Nandritra izany no nilazan’ny minisitra fa hatao toeram-pitsangantsanganana filamatra ny 04 hatramin’ny 07 novambra ho avy izao ny ao Manambato Brickaville, ka isany hotsidihan’ny olona amin’izany ny ao Ankanin’ny Nofy – Manambato – ary Rasoa be/Rasoa masay. Eo ampandaminana mikasika izany ny minisitera – ny faritra atsinanana – ary ny ORT Atsinanana amin’ny fanomanana izany. Izay ny antony fanamboarana ireo lalana mampitohy an’i Manambato sy ny lalam-pirenena faha-02 izay tena efa ratsy teo aloha. Ankilan’izany dia nambaran’ny minisitra ny fizahantany tonga teto Toamasina izao ihany koa ny momba ilay hetsika “Angaredona” hatao eto Toamasina, ho fisarihana ny mpizahantany hitsidika ny faritra atsinanana. Hetsika ara-pizahantany goavana no atao mandritra izany, satria rah any fantatra dia mety any amin’ny volana febroary na martsa any raha tsy misy ny valanaretina, dia hisy ireo sambio mpitondra haviny hitsidika ny eto Toamasina. Ankoatra izay dia nambaran’ny minisitra ihany koa ireo dingana fito ataon’ny minisitera amin’ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny fizahantany Malagasy. Isan’izany ny fanamorana ny famatsiam-bola mba hampitomboana ireo efitrano azo andraisana ireo mpizahantany izay tokony hisy 47.000 hitsangana izany antsy ho atsy, fampahafantarana ireo toerana azo aleha sy tsidihana eto amintsika, fampitomboana ny traikefa samy hafa ny mpikarakaraka fizahantany, fanatsarana ny lafin’ny lalana samy hafa, ny fampiasana ireo fitaovana moderna isan-karazany, fampitomboana ny mpisehatra amin’ny fizahantany, fampitomboana ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra ara-panjakana samy hafa.
Malala Didier