Zazalahy kely iray varira 12 taona no nisy naka an-keriny tany Bezaha Distrikan’i Betioky Atsimo. Taorian’ny fampitam-baovao ara-potoana nataon’ny fianakaviany, niara-nisalahy sy nifanome tanana ny rehetra nikaroka an’ity zaza bobo nandritra ny sivy andro. Tao anaty fanarahan-dia, nahazo loharanom-baovao mari-pototra avy tamin’olona tsara sitrapo ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Holafy 506 (ZDS Fiherenana) sy ny Dinabe Betioky Atsimo izay notarihan’ny Filohany Maire Dada, fa hafenin’ireo mpaka an-keriny amina lava-bato iray ao amin’ ny Fokontany Soarano, Kaominina ambanivohitry Bereketa, Distrikan’ii Sakaraha ilay zaza. Nandritra ny savahao, raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo mpanara-dia sy ny dahalo, ka tao anaty sakoroka dia navositr’ ireo mpaka an-keriny ilay zaza, ny alahady teo, raha samy lasa nitsoaka nanavotra ny aina avokoa ireo malaso. Raha ny fanazavana azo, saika halain’ireto dahalo hanamasinany ny ody ratsiny ny voamason’ilay zaza varira, nefa izao avotra soa aman-tsara teo ampelantanany mpaka an-keriny azy izao ity zazalahy bobo, izay mbola verivery saina hatramin’izao ity farany noho ny dona ara-tsaina mafy nihantra taminy.
Eric Nahoda