Niakatra fitsarana ady heloka bevava tsotra omaly, tao amin’ny Fitsarana ambony teto Toliara ny raharaha mahakasika ny fahaverezam-bola mitentina 530.750.700 ariary, tao amin’ny tahirim-bolam-panjakana Toliara, ny 10 desambra 2020. Olona roa no voampanga tamin’ity raharaha ity, dia i Aly Jean « Caissier principal » sy M.T.C « Inspecteur de trésor ». Naharitra ora dimy mahery ny fifandaharana tao amin’ny fitsarana nihainoana ny voampanga sy ireo vavolombelona tsy latsaky ny 20 isa, izay samy nanizingizina avokoa fa na dia narary mafy aza ity mpitam-bola voalohany tao amin’ny « Trésorerie Toliara » ity dia niasa foana nentiny nanafenany ireo volabe nangalariny tsikelikely tao anatin’ny telo taona naha « Caissier principal » azy. Ny 8 desambra 2020 anefa, efa reraka tsy afa-miasa intsony ity mpitam-bola voalohany 60 taona ity, ka nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra tao fa tsy maintsy soloina olon-kafa izy, satria ny asa fandoavam-bolam-panjakana tsy maintsy mandeha. Ny ampitson’io, tokony ho tamin’ny folo ora naraina, natao ny famindran’asa, ary teo no tsikaritra fa misy fahabangana ny vola, ary rehefa nohamarinina lalindalina izany, ny 10 desambra, vao fantatra mazava ny totalin’ny vola very mitentina 530 tapitrisa ariary mahery. Ny nahavoasaringotra an’ilay « Inspecteur du trésor » kosa tamin’ity raharaha ity, dia noho ity farany nanome fahefana olon-kafa hisolo toerana an’i Aly. Taorian’ny fifandaharana, namoaka ny didy ny Fitsarana Ambony, fa noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana dia voaheloka am-ponja hanao asa an-terivozona mandritra ny enina taona i Aly Jean sady mandoa onitra 530.750.700 ariary, miampy onitra 10 tapitrisa ariary saran’ny lany rehetra tamin’ny fitsarana. Nodidian’ny fitsarana ihany koa izy tsy mahazo manao asam-panjakana intsony. Noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana kosa i Aly Jean tamin’ny raharaha filazam-pananana hosoka sy famotsiam-bola. Noafahan’ny fitsarana madiodio kosa ilay « Inspecteur de trésor », satria tsy nisy na dia porofo iray nitazonana azy aza, satria tsy nisy trano vaky na fitoeram-bola vaky.
Eric Nahoda