- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Fanolanana zazavavy 6 taona, mpianatra mpitsabo migadra 10 taona

Toliara : Fanolanana zazavavy 6 taona, mpianatra mpitsabo migadra 10 taona

Miha biby ny olona sasany ankehitriny, ary tsy mifidy taona sy saranga intsony amin’izao ireo mpanao ratsy. Mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no haripaka. Tovolahy iray 21 taona, mpianatra ho mpitsabo taona faharoa no tra-tehaka nanolana zazavavy kely enina taona, izay tsy iza fa zaza zanaky ny anabaviny ihany. Raha ny fanazavana azo, nandeha niantsena ny renin’ity zaza, ka ity dadatoany no nampiambena azy, ka nanaraotra ny filan-dratsiny tamin’ilay zaza tsy manan-tsiny ity « renilahiny ». Araka ny vaovao voaray hatrany, natetika no nanao filan-dratsy tamin’ity voatavo tsy mifandraka ity ilay dadatoany, ka vaky ambatolampy ny nafenina ny 25 jona lasa teo, rehefa fa hita fa narary tratry ny aretina azo tamin’ny firaisana ara-nofo ilay zaza. Rehefa nofotorana lalina ity farany, dia nitantara ny zava-nihantra taminy sy nanjo azy, ary niteny fa ny dadatoany ihany no nanao filan-dratsy taminy. Taorian’izay, rehefa voamariny mpitsabo fa voaolana sy simba ilay zaza, dia nitory ny reniny zaza, ka omaly no niakatra fitsarana ady heloka bevava tsotra, tao amin’ny Fitsarana ambony teto Toliara ny raharaha. Taorian’ny fifandaharana naharitra ora maro, namoaka didy ny fitsarana, ka naiditra am-ponja ary voaheloka hanao asa an-terivozona mandritra ny folo taona ity tovolahy mpianatra ho mpitsabo nanolana ny zanak’anabaviny.

Eric Nahoda

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici