- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana Ambony Toliara : « Hamafisina ny ady amin’ny kolikoly », hoy ny Procureur...

Fitsarana Ambony Toliara : « Hamafisina ny ady amin’ny kolikoly », hoy ny Procureur Général

Manomboka izao, raha ny nambaran’ny Tonia Mpampanoa lalàna ambony eto amin’ny Fitsarana Ambony Toliara, Atoa Nirina Jean Arson Désiré, fa « hanao ny farany heriko aho sy ireo mpiara-miasa amiko mba hanafainganana ny raharaham-pitsarana, ary fitsarana tsy mitanila miady amin’ny kolikoly hatokisan’ny vahoaka no tanjona. » Tsiahivina, ny 10 septambra lasa teo ity mpitsara 55 taona, manambady, manan-janaka roa mianadahy ity, no napetraka tamin’ny fomba manetriketrika tamin’ny toerany, ary izy no « Procureur Général » fahefatra nitantana ny Fitsarana Ambony Toliara, hatramin’ny nisian’ny « Cour d’Appel » Toliara, ny taona 2004. Talohan’ izao nanendrena an’ity Tonia Mpampanoa lalàna vaovao ity teto Toliara, dia niasa tany Mahajanga ny tenany, ary efa tompon’andraikitra ambony tamina rafi-pitsarana maro teto amintsika tao anatin’ny 20 taona no naha mpitsara azy izay. Raha tsorina, tsy vahiny aminy tontolon’ny asam-pitsarana ingahy « Procureur Général », ary inoana fa hitondra fanovana goavana eo amin’ny tontolon’ny fitsarana izany.

Nahoda

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici