Saika isan’andro tato ho ato, vaovao ratsy hatrany no heno sy re teto amin’ny firenena : fanolanana etsy, vono olona eroa, manginy fotsiny ny asan-dahalo, ny lozam-pifamoivoizana, ny fahantrana sy kere, ny fisondrotan’ ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy fitaovana fanorenana trano, ny fahafaham-barakana tompon’andraikitra ambony, . . .
Fa tany Ambalavao Tsienimparihy, Faritra Matsiatra Ambony kosa, olona miisa 76 no tratry ny tsy fahasalamana vokatry ny fihinanana henan’omby marary, tao Imigo, Kaominina ambanivohitra Besoa. Raha ny vaovao voaray, omby marary niisa enina tamin’ireo fito matina aretin’omby hafahafa no nohanin’ny olona tao an-tanàna natao tsanga-kena. Taorian’ny fidinan’ny tompon’andraikitry ny Fahasalamana sy ny avy ao amin’ny Fiompina ao Ambalavao tany an-toerana, dia efa noraisina an-tanana avokoa ny fitsaboana ireo marary. Andrasana kosa ny valin’ny fitiliana tamin’ny fakana singa tamin’ny ambin-kena, izay nalefa any Antananarivo hahafana mamantatra ity aretina ity. Fepetra noraisina avy hatrany ny nandevenana ilay omby fahafito maty, ary ireo omby sisa velona kosa efa voaray an-tanana ka tsy misy ahiana ny fahasalamany. Raha ny nambaran’ny Lehiben’ ny Distrika, tsy azo atao aloha hatreto mamoaka sy mivarotra omby any an-toerana mandrapisy lamina vaovao.
Eric Nahoda