Ny alahady 24 aogositra teo, no nahitan’ny mponina lehilahy efa tsy nisy aina intsony, nihantona tamin’ny tady tao an-tranony tany Antanetimboahangy any amin’ny faritr’ Ambohitrolomahitsy. Tamin’ny fijerena ny razana dia nifatotra tamin’ny hazo teo amin’ny tafontrano ilay tady. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina izay zavatra niseho. Maro ireo nihevitra fa namonotena ity olona ity. Ny antony kosa tsy misy mahalala. 22 taona izy izao maty izao. Efa mahafantatra ny fandehan-javatra ny mpitandro filaminana ary misokatra ny fanadihadiana mikasika izao fahafatesana izao.
r.s.