Omaly alina tokony ho tany amin’ny 1 ora tany ho any, trano telo no fantatra fa nisy nanafika. Jiolahy nirongo basy no nanao izany. Teny Dorodosy, novakian-dry zalahy ny varavarana ary niditra amboletra izy ireo. Saika nanohitra ihany ny tao an-trano, nefa voavely ilay raim-pianakavina ka naratra. Notakian-dry zalahy ny vola. Nalainy koa ny zavatra tsara rehetra. Raha vao azony izany dia nandeha nifindra nandroba tao amina tranona kolonely iray izy ireo. Tsy vakiny mihitsy anefa ilay trano ka niala izy ireo ary nandeha nifindra nandroba tany amin’ny trano fahatelo. Efa ren’ny tompony ny firodorodoan’izy ireo, ka nandrehitra jiro ry zareo. Toa vao mainka nanampy ireo mpangalatra izany ary dia tafiditra soa aman-tsara indray ry zalahy. Olona telo no fantatra fa noratrain’izy ireo. Nalainy koa izay azony nentina dia lasa ry zalahy. Vao niandoha ity heriandro ity, fanafihan-jiolahy misesy no re tetsy sy teroa. Lasa faritra mena avokoa ny eto amin’ny Renivohitra sy ny manodidina.
Nangonin’i r.s.