- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversGouvernoran’i Bongolava « Lalan-dratsy mahatonga tsy fandriampahelamana »

Gouvernoran’i Bongolava « Lalan-dratsy mahatonga tsy fandriampahelamana »

Tsy misy afa-tsy distrika roa no mandrafitra ny faritra Bongolava : Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe. Am-polotaonany maro anefa izay, no tsy afaka nifandray mivantana akory izy ireo. Manginy fotsiny ny resaka tsy fandriampahalemana. Hivalona hatreo izany nofy ratsy izany atsy ho atsy …

Teo am-pamatorana entana, gonim-bary lehibe, teo ambony ny bisikletany, Atoa R.T, raim-pianakaviana iray, monina ao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatomitsangambe, distrika Fenoarivobe no sendra anay. Velon-tsiky tanteraka, handeha hihazo ny renivohitry ny faritra. « Na bisikleta aza ankehitriny tongako any. Adim-pamantaranandro vitsy monja sisa no isaiko eny an-dalana, raha andro izany tany aloha. Tsy misy ahiana intsony ihany koa eny an-dalana » hoy izy. Toa azy, velom-panantenana tanteraka avokoa ireo mponina rehetra any amin’iny tapany avaratry ny faritr’i Bongolava iny, teo anatrehan’ny ezaka lehibe, nataon’ny teo anivon’ny faritra Bongolava, tamin’ny fanokafana indray ny lalana Tsiroanomandidy – Fenoarivobe, rehefa tsy nisy nijery intsony taona maromaro izay.

« Anisan’ny lalana tsara tokoa ny lalam-pirenena voalohany, mandram-pahatonga aty Tsiroanomandidy. Kanefa ireo lalana mampifandray izany renivohitry ny faritra izany amin’ireo tanàna, kaominina sy disitrika anefa dia ratsy dia ratsy tanteraka na tsy misy mihitsy » araka ny nambaran’Atoa Jly Ramiaramanana Joseph, goverinoran’ny faritra Bongolava. Noraisin’ny teo anivon’ny faritra ho laharam-pahamehana araka izany ny fanamboarana ireo lalana, na teo an-tampon-tanana na ny mampifandray ireo distrika roa mandrafitra ny faritra. « Hitondra fampandrosoana ny nametrahan’ny Filoham-pirenena anay teto ary hanatanteraka ireo velirano nataony ». Raha ny teo an-tampon-tananan’i Tsiroanomandidy manokana dia fanaovana rarivato ny lalana, manodidina ny dimy kilaometatra any ho any no vita, ary mbola hotohizana. Ezaka goavam-be ihany koa natao tamin’ny famakiana ny lalana Tsiroanomandidy mihazo an’i Fenoarivobe. Misy mihitsy ny famakiana lalana vaovao fa tsy nanaraka ireo lalana teo aloha, izay efa tena ratsy, na tsy misy intsony na efa tototry ny antsanga. Raha miala avy eo amin’ny renivohitry ny faritra tokoa mantsy dia tsy misy afa-tsy 77 kilaometatra monja i Fenoarivobe. Lalana mirefy teo amin’ny 32 kilaometatra teo no voatery novakiana mihitsy, izany hoe manomboka eo amin’ny kaominina Ankadibevava, mihazo an’i Fenoarivobe. Efa mizotra tsara ny asa ary efa misitraka sahady izany ireo mponina. Toa an’Atoa R.T tokoa mantsy, teo aloha, dia tsy maintsy mihodina any Ampanotokana, Mahitsy, mandray ny lalam-pirenena fahefatra, miakatra aty an-drenivohitra izay mihazo ny lalam-pirenena voalohany, raha te ho any Tsiroanomandidy.

Eo amin’ny lafin’ny tsy fandriampahelamana, nanazava Atoa Governora, fa tena nahitàna fihenana betsaka tokoa izany, nandritra izay herintaona mahery kely nitondràny ny faritra izay. « Iza tokoa moa tsy mahalala fa faritra mena hanjakan’ny asan-dahalo izany faritra Bongolava izany, kanefa azo lazaina fa efa mba miala tsikelikely amin’izay mahafaritra mena izay izy amin’izao. Efa tena mihatsara noho ny teo aloha, indrindra fa any amin’iny tapany avaratra iny »  hoy izy. Miara-manaiky izany tokoa ny rehetra, ary samy naneho fankasitrahana ny fitondram-panjakana, solon’ny faritra tena. Tamin’ireo tanàna rehetra nandalovanay, tamin’iny tapany avaratra iny : Antanambao, Bevato, Manankambahiny, Antanetibe, Ankadibevava, Ambatomainty sud, … izay niharitra ny mafy avokoa tamin’ny resaka asan-dahalo, dia samy nilaza ireo mponina fa efa miaina ara-dalàna tanteraka. « Tena lalana fandalovan’ny dahalo tokoa teto amin’ity tanana ity, saingy tato ho ato, tsy nisy intsony izay » hoy ny renim-pianakaviana iray, mbola variana mirandrana, hotronin’ireo zaza sy vehivavy maromaro, mitakoritsika etsy sy eroa, tao amin’ny tanàna iray tao Ankadibevava.

« Eny fa na dia hahenoana tranga tsindraindray ihany aza, dia efa azo lazaina fa tsy mitovy tamin’ny taloha mihitsy, izay handrenesanay fanafihana isan-kalina » hoy ny lefitry ny ben’ny tanàna tao Ambatomainty Sud. Fiaraha-miasa matotra tokoa mantsy no napetraky ny teo anivon’ny Faritra hiadiana amin’ity tsy fandriampahelamana ity, dia ny fiaraha-miasa amin’ireo vondrom-bahoaka hitsijaram-pahefana any an-toerana, amin’ireo fokonolona fa indrindra amin’ireo mpitandro filaminana telolafy. « Amin’ny lafiny rehetra, rehefa vonona hampandroso an’i Bongolava, hiara-hiasa, dia misokatra tanteraka ny varavaran’ny biraoko ary tsy manavaka na iza na iza aho, na antokom-pinoana, na antoko politika, satria Bongolava mandroso no tanjona » hoy Atoa Governora.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici