- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMarotsipohy Anjozorobe : Fanafihan-dahalo roa tao anatin’ny indray alina

Marotsipohy Anjozorobe : Fanafihan-dahalo roa tao anatin’ny indray alina

Manahy mafy ny mponina ankehitiny ny amin’ny mety fisiana ambadika hafa amin’ity tsy fahandriampahalemana tsy mitsaha-mirongatra ao amin’ny distrikan’Anjozorobe ity. Mandeha ny halatr’omby. Manampy trotraka ny fakana an-keriny olona fotsiny izao. Fantatra anefa fa ilay olona  nolazaina fa tena atidoha ary nahavanona ireo fakana an-keriny tany amin’iny faritra iny, raha tsy hilaza afa-tsy i Del kely dia efa voasambotra avokoa. Mbola mitohy foana anefa izany asa-ratsy izany ka mampanontany tena ihany ny zava-mitranga. Ny 22 septambra teo izao dia heno fa nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika roa indray tao amin’ity distrika ity. Fokontany roa tao amin’ny kaominina Marotsipohy no lasibatra tamin’izany. Ny voalohany dia niseho tamin’ny 8 ora sy sasany alina tao amin’ny tanàna atao hoe Tanjondava, fokontany Mangarivotra, ao amin’ny kaominina voalaza etsy ambony. Andian-dahalo maoromaro tsy fantatra isa, nirongo basim-borona no nanafika ary nanapoaka basy mba hampitahorana ny olona mba tsy hisy hivoaka na hanohitra ny fiavian’izy ireo. Omby roapolo mahery no voaroba tamin’izany. Tamin’io andro sy ora io ihany anefa dia voalaza fa nitrangana fanafihana mahery vaika ihany koa tao amin’ny tanàna atao hoe Mahabo, fokontany sy kaominina Marotsipohy izay nahaverezana omby 17 isa. Araka ny angom-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia ny 23 septambra tamin’ny 8 ora sy sasany maraina ireto farany vao nahazo antso momba ity raharaha ity ka nidina avy hatrany teny an-toerana mba hanokatra ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia. Fantatra tamin’izany fa nizotra niakandrefana nihazo an’i reniranon’ny Betsiboka ireo ireo jiolahy niaraka tamin’ny omby nangalarina tamin’ireo tanàna roa voalaza tetsy aloha ireo. Zandary dimy lahy niaraka tamin’ny fokonolona no nahetsika avy hatrany nanao ny fanarahan-dia. Nanampy azy ireo ihany koa ny lehiben’ny kaompanian’ny zandarimaria ao Anjoorobe sy ireo tobin’ny zandary manodidina mba hanao ny fanakanana ny kizo rehetra mety hizoran’ireo dahalo. Hetsika izay mbola tsy nahitam-bokany aloha hatreto. Andrasana ary ny ho tohin’ity raharaha ity. Marihina fa tsy nisy ny naratra na aina nafoy nandritra ireo fanafihana ireo.

DR

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici