Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena nahazo sy ny anton’ny nahafaty ity lehilahy, hita natsingevan’ny ranon’Ikopa ity, tetsy Tanjombato. Omaly tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany tany ho any mantsy no hitan’ny olona teny an-toerana ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity, natopatopan’ny rano. Nosarihana an-tanety avy hatrany ary nampandrenesina teo no eo ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Tonga teny an-toerana fotoana fohy taorian’izay moa izy ireo, niaraka tamin’ireo mpitsabo hanao fitiliana. Raha ny nambaran’ireo mponina teny an-toerana dia mpanamboatra môtô no asain’ity lehilahy ity ary monina eny amin’ny faritra Ambohimanatrika izy. Ny angom-baovao hatrany nahafantarana fa efa tsy hitan’ny fianakaviany sy ireo olom-pantany, nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny lehilahy. Efa nisy ny fampandrenesana natao teny anvion’ireo mpitandro filaminana ary efa nanomboka ny fikarohana saingy tsy nahitam-bokany izany hatreo. Indrisy moa fa dia io hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa io ny lehilahy. Nisy namono dia natsipy tao anaty rano, nianjera sa namono tena ? Fanontaniana mbola mipetraka aloha hatreto ary efa eny am-pelan-tanan’ireo mpanao fanadihadiana. Na izany aza anefa dia nambaran’ireo mponina hatrany fa tena ratsy io toerana iray io, izay fanaovan’ireo olon-dratsy ny asa ratsiny. Voalaza mantsy fa efa nisy olona saika nisy namono ihany koa teo amin’izany faritra izany, saingy nisy nahita ary avotra soa amantsara. Nifanenjehana kosa ilay olon-dratsy tamin’izay fotoana izay.
m.L