Nanohina mafy ny fiaraha-monina tany amin’iny faritra Ambalavao Tsihenimparihy, faritra Matsiatra Ambony iny, ity lozam-pifamoivoizana ity. Araka ny loharanom-baovao dia tovolahy nanao taigindroa tamin’ny Môtô avy any Fianarantsoa ka hamonjy fodiana any Ambalavao no nifandona tamin’ny kamiao nifanena tamin’izy ireo teo anoloan’ny vavahadin’ny Lycée Joêl Sylvain Ambalavao, ao amin’ny fokontany Ambohimadera ny Alakamisy 23 septambra tamin’ny 3ora sy 30 minitra tolakandro lasa teo. Mafy tokoa ny fofandonana ka maty teo no ho eo ilay nitondra ny môtô. Ilay faharoa kosa naratra mafy ka nentina haingana namonjy hôpitaly tany Fianarantsoa. Indrisy anefa fa tsy Tana ihany koa ny ainy rehefa ny alin’iny ihany. Araka ny loharanom-baovao, efa tonga tao Ambalavao ireto roalahy ireto no niverina kely tany Morafena satraia nisy zavatra tsy maintsy nataon’izy ireo tany no nitranga izao loza izao. Nahonena tokoa ny zava-niseho satria dia mpinamana ireto olona ireto ary be mpahalala any amin’iny distrika iny. 25 taona i Danni, ilay tompon’ny môtô sady nitondra izany. Ity farany izay vao avy novidiana tsy ela akory tany Fianarantsoa. Manam-bady aman-janaka izy. Efa noentina any Ankarinarivo, kaominina Ambohimandroso, distrika Ambalavao, toerana niaviany ny vatamangatsiakany, raha tao Vohitsaoka izy no niasa fahavelony. Rivo kosa no ahalalan’ny maro ilay namany izay niaraka taminy.
T.M.