Tsy afaka teo am-pelatanan’ny vahoaka, fa niharan’ny vono sy daroka avy hatrany ny tovolahy iray sahabo ho 25 taona eo, izay tra-tehaka nangalatra akoho amam-borona, tao an-tanànan’i Tsaramandroso, fokontany Antanifotsy I, distrikan’i Sambava, afak’omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 12 ora. Raha tsy tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana, hoy ny vaovao voaray, dia saika matin’ny hatezeram-bahoaka ity mpangalatra efa nivindana tarehy sy naratra mafy. Mba ho famonjena ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy, dia tsy maintsy nentina notsaboina tany amin’ny hoiptaly ity voatondro ho mpangalatra, ary aorian’izay vao haverina any amin’ny zandary izy hanaovana fanadihadiana. Etsy andanin’izany, mirongatra koa ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny distrikan’i Sambava, ka mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ny mponina any an-toerana. Raim-pianakaviana iray handeha hividy lavanila vao maraina any Tanambao-Daoud no nisy nanafika teny an-dalana, afak’omaly, tokony ho teo amin’ny 4 ora 30 minitra, raha nandalo tao avaratra kely Ampanakana, ka lasan’ny jiolahy tamin’izany ny lelavola 2,4 tapitrisa ariary sy ny finday avolenta lafo vidy teny aminy. Tsy vitan’ny norobaina ity mpividy lavanila ity, fa mbola niharan’ny vono ihany koa. Olona sendra nandalo vao maraina, hoy ny tati-baovao voaray, no nahita azy nitsirara naratra mafy nihosin-drà tamin’ny tany. Mba ho famonjena ny ainy, nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana akaiky indrindra ity raim-pianakaviana ity, ka mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CSB II Ambatojoby izy hatramin’izao.
Eric Nahoda