- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnativolo Anjozorobe : Raikitra ny sakoroka, voatafika ny biraon’ny zandary

Anativolo Anjozorobe : Raikitra ny sakoroka, voatafika ny biraon’ny zandary

Tomefy olona tao anatin’ny fotoana fohy ny teo amin’ny biraon’ny zandary tao amin’ny zanatobim-parita Antanetibe Anativolo, omaly. Vetivety dia nivadika ho korontana izany, ary niafara tamin’ny tora-bato, famakiana ny birao ary fandoroana izany mihitsy.

Nihenjan-droa ny tady omaly, teo amin’ireo fokonolona sy ny zandary, tao amin’ny kaominina Antanetibe Anativolo, distrikan’Anjozorobe. Niakatra afo tanteraka ireo fokonolona teo anatrehan’ny « tsy rariny », izay noheverin’izy ireo fa nihatra tamin’ireto farany tamin’ny « famonoana sy fitifirana » ho faty lehilahy anankiray, nataon’ny iray tamin’ireo zandary miasa tao amin’ity zanatobim-paritra ity, tao amin’ny tanàna iray ao amin’ny fokontanin’i Mahatsinjo, kaominina Antanetibe Anativolo. Zava-nitranga ny talata hariva teo. Raha ny hevitr’ireo fokonolona dia toa olona tsy manan-tsiny, ary ambonin’izay dia toa hoe manana aretin-tsaina ity voatifitra ity, izay hoe tsy hoe azo heverina mihitsy ny maha olon-dratsy azy. Antony nahatonga ireto mponina ireto nitroatra, tonga teny amin’ny biraon’ny zandary nitaky ny hisian’ny fanazavana. Nentin’izy ireo teny an-toerana, mba ho porofo mihitsy aza moa ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy maty voatifitra. Saingy nivadika ho zavatra hafa, korontana sy sakoroka mihitsy moa izany, omaly. Rehefa nitatra ny toe-draharaha dia tonga hatramin’izao fandrobana sy fandoroana ny biraon’ny zandary izao.

Raha ny tatitra azo teo anivon’ny zandary dia nanamarina ny fisian’ity fitifirana ity tokoa izy ireo, izay nitranga, ny alarobia, tokony ho tamin’ny telo ora hariva teo. Voalazan’izy ireo tamin’izany fa niseho nandritra ny hetsika iray nataon’izy ireo izany tranga izany. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia naharay vaovao izy ireo mahakasika ny fisian’ny toerana fiafenan’ireo olon-dratsy. Rehefa tonga teo amin’io toerana io anefa ireto farany dia nipoitra avy any ity lehilahy ity ary  nanafika ny iray tamin’ireo zandary tamin’ny antsy lavalela sy nanao amboletra haka ny basiny. Voalaza fa naratra vokatr’izay ilay zandary ary rovitra ny « gilet » nanaovany. Voatery niaro tena tamin’ny tifitra araka izany ity farany ary voan’ny bala tokoa ilay nifanandrina taminy sy namoy ny ainy. Nanomboka teo tamin’izay ny niha-nitatra ny toe-draharaha ary tonga tamin’io sakoroka io. Omaly ihany dia efa mpitandro filaminana marobe no nalefa any an-toerana, hanampy ireo efa any, handamina ny zava-misy ary hanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici