- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversBypass : Potika indray ny taxi-be

Bypass : Potika indray ny taxi-be

Omaly tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro no niseho ny lozam-pifamoivoizana. Samy potika ny fiara roa izay nifandona. Ny andaniny, fiara kely marika peugeot 206. Ny ankilany, fiara taxi-be marika Sprinter. Raha araka ny fanazavan’ny olona teo an-toerana dia nisongona ny fiara teo anoloany ilay fiara kely kinanjo nifatratra tany amin’ilay fiara fitateram-bahoaka. Mafy ny fifandonana kanefa soa fa mba tsy nisy ny aina nafoy. Ny fiara no samy potika tanteraka ny lohany. Lala-mahitsy ilay nitrangan’ny loza kanefa koa ifamezivezen’ny fiara lehibe, ny kamiao sy ny mpitatitra isan-karazany. Matetika itrangan’ny loza eo an-toerana ary noho ny fisongonana hatrany no tena anton’ny olana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici