Nitrangan’ny hain-trano mahatsiravina indray teny amin’iny faritra Nanisana iny ny alin’ny sabotsy lasa teo. Trano lehibe iray misy rihana izy io ary may kila tanteraka niaraka tamin’ireo entana rehetra tao an-trano. Na izany aza anefa, tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy, saingy tombanana ho an-tapitrisany maro any kosa ny fahavoazana naterak’izany. « Tokony ho tamin’ny sivy ora alina teo ho eo izahay no naharay antso, raha ny fanazavana azo avy amin’ny lehiben’ny mpamonjy voina ireto. Vetivety dia tonga teny an-toerana izahay ary tao anatin’ny minitra vitsy ihany koa dia voafehy ny firehetana. Nanampy betsaka ihany koa moa ireo mponina teny an-toerana, izay tsy niandry loatra anay raha vao nanomboka ny afo fa efa nanao izay vitan’izy ireo tamin’ny famonoana ny afo ». Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena anton’ny nahatonga ny loza aloha. Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana dia toa doro trano natao fanahy iniana izy io, izay toa hoe vokatry ny adin’ny mpivady iray tao amin’io trano nirehitra io. Satria voalaza fa tsy nahazaka ny fifamaliana ilay rangahy ka avy hatrany dia nandoro izany trano izany. Efa nandray ny andraikiny manoloana ity tranga ity moa ireo mpitandro filaminana, izay tonga ihany koa teny an-toerana tamin’io alina io, ary efa nanokatra ny fanadihadiana mahakasika izay.
Na inona na inona anefa mety ho vokatr’izay hain-trano izay dia voalaza fa fotoana mahabetsaka izany izao vanin’andro izao, raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpamonjy voina, ka mila mailo hatrany ny rehetra ary tokony hitandrina fatratra amin’ireo zavatra na akora mety mahatonga izany. Nambaran’ny lehiben’izy ireo ihany mantsy fa nanomboka ny voalohan’ny volana teo dia efa nisy trano may dimy sahady teo an-drenivohitra.
m.L