
Tsy ny any ambanivohitra ihany no misy mpangalatr’omby fa hatreto an-drenivohitra ihany koa ? Omby iray no nisy nangalatra teny Andavamamba, omaly tokony ho tamin’ny 1 ora maraina.
Polisy manao fisafoana amin’ny alina no nahita roa lahy nandroaka ilay omby teny an-toerana io maraim-be io. Raha vao nahatazana ny mpitandro ny filaminana ireo roa lahy dia nirifatra nandositra fa ilay omby kosa navelany teo ka naterina ao amin’ny kaomisaria Isotry miandry izay tompony. Toe-javatra tsy fahita firy eto an-drenivohitra. Omby nangalarina tamin’ny valan’omby teny Andavamamba eny. Eny an-toerana izay tena misy mpiompy omby tokoa, ary misy ny manana omby maromaro. Izao nataon’ny olon-dratsy latsak’alina tao ny ombiny. Soa ihany ny fa sendra ireo polisy nanao fisafoana tamin’ny alina raha tsy izany very ity omby ity. Mandeha ny fanadihadiana.
Yv Sam