- Publicité -
mardi, octobre 14, 2025
AccueilFaits-DiversZaimaika maoderina : Hadio tanteraka ary hiala amin’ny loto ireo mpivarotra

Zaimaika maoderina : Hadio tanteraka ary hiala amin’ny loto ireo mpivarotra

Hadio amin’izay ny sakafo eny amin’ny Zaimaika.

Fahadiovana ! Io no teny filamatra manoloana ny Zaimaika vaovao na maoderina.

“Izaho dia mpivarotra ato amin’ny Zaimaika, tompon-tsena ato. Manantena fa hiova famindra amin’izay ireo namanay. Nampiaiky volana amin-tany ny loto, ny havoretrana, ny voalavo, ny lalitra, ny fofon’ilay WC public teo talohan’ny fanamboarana azy kanefa toeram-pisakafoanana”, hoy i Maminiaina Urbain. Samy mitaky io fahadiovana io avokoa ny rehetra raha vao hita ny endrika vaovaon’ny Zaimaika, tamin’ny herinandro. Voalazan’ireo mpiandraikitra, tahaka ny Delege fa tsy handeferana intsony  ireo mpivarotra tsy mitandro ny fahadiovana. “Hetahetanay araka io lokon’ny Zaimaika io mba hadio tahaka ny « avenue » sy ny Lapan’ny Tanana”, hoy i Serge Landry, isan’ny tompon’ny tsena ao amin’ny Zaimaika. Nambaran’ireo solontenan’ny mpanamboatra tsena fa fa efa tsy ao ambany intsony ny WC public fa efa nafindra toerana.

Maro amin’ireo mpivarotra ihany koa no maniry ny  fikojakojana ny fotodrafitrasa sy ny fanadiovana  ho ankinina amin’ny tsy miankina. “Tolo-kevitra avy aminay ny hanohizan’ny kaominina ny fitantanana ny trano amin’ny tsy miankina, araka ny fifanarahan’izy ireo tamin’ny fanorenana izao fotodrafitrasa mamiratra izao. Torak’izany koa ny fiambenana. Tsy vitsy ireo fitaovana very teo aloha kanefa mandoa ny karaman’ny mpiambina ny mpivarotra.”  Hoy i Louis Jese Marius, anisan’ireo tompon’ny tsena ao amin’ny Zaimaika.

Jiro manazava. Mampitaraina ireo mponina eny amin’ny manodidina ny tsy fandriampahalemana , indindra  amin’ny alina ka tsy vitsy ireo velom-paniriana  ny hisian’ny jiro manazava amin’ireo lalana manodidina.  Anisan’ny tsangam-bato nilokalokan’ny Ben’ny tanàna tamin’ny fampielezan-kevitra ny famitana ity tsenan-tsakafo ity. Voazalan’ny mpivarotra iray fa : “efa in’efatra niova ny mpanamboatra azy vao vita ny Zaimaika”, hoy i Hanitriniaina Rahajanirina. Marihina moa fa mihoatra ny taonjato iray ity tsena ity. Ny taona 1918 no nananganana ity Zaimaika ity ary izao vita izao ny fanaovazana lehibe indrindra hatramin’izay.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici