Lehilahy iray no tratran’ny fokonolona teo Namontana nangalatra môtô omaly ka niharan’ny fitsaram-bahoaka sy ny hatezeram-bahoaka ny lehilahy. Nihevitra ny tsy nisy nahatsikaritra izy io ka saika hitondra ilay môtô nitsoaka. Tazan’ny olona teo amin’ny manodidina nihodinkodina sy nijery ilay môtô izay hangalariny. Raha iny saika hanosika iny indrindra no tratran’ny fokonolona ka tsy afa-niala intsony. Mody nisary adala teo izy io, saingy efa tsikaritry ny olona ny fihetsiny ka noraisim-potsiny. Niharan’ny daroka sy ny alahelon’ny olona noho ny firongatry ny halatra môtô eto an-drenivohitra sy ny manodidina izy io. Taorian’izay, naterin’ireo fokonolona teny amin’ny polisy ity mpangalatra ity. Nofotorana avy hatrany izy io. Ny halatra môôo izay mahazo vahana tanteraka eto an-drenivohitra, izay matetika efa ho isan’andro. Maro ihany koa ny jiolahy efa tratra tamin’izany, saingy marobe ireo mbola manao ity asa ratsy ity. Misy ny môtô hita ihany rehefa very, fa betsaka ihany koa ny any dia manjavoana tsy hita intsony.
Yv Sam